EDITO 22 Febroary – Madagasikara – Frantsa Miezaka mamatotra sy mangeja ny firenentsika ny Frantsay

Sôh’son

Nilaza ireo olana lehibe atrehin’i Madagasikara ankehitriny i Andry Rajoelina, nanoloana ny ministra frantsay ny alakamisy tolakandro teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. F’angaha moa ireny tsy fantatry ny fitondrana frantsay amin’ny antsipiriany efa hatramin’ny ela? Fantany ny antsipirian’ny zava-misy eto andavanandro ary manaraka akaiky izany izy.

Iaraha-mahalala fa miezaka mamatotra sy mangeja ny firenentsika amin’ny endriny samihafa ny fitondrana frantsay taorian’ny taona 1960, ary mampihàtra ny fanjanahana amin’ny endriny vaovao « néocolonialisme ». Fantatry ny mpanara-baovao sy mpahay tantara tsara ny amin’izany. F’iza no tsy mahalala ny fifikirana mafy ataony amin’ireo tombontsoa fangoronan-karena isan-karazany ataony eto amin’ity firenena ity tato anatin’ny 60 taona izao? Ary mbola miezaka mafy hihazona izany izy mandritry ny fotoana tsy voafetra. Ohatra akaiky amin’izany ny amin’ireo Nosy malagasy izay bodoiny sy ataony toy nofon-kena an-tanan-tsaka.

60 taona niaraha-niasa tamin’i Frantsa i Madagasikara ary izy no firenena voalohany eo amin’izay fiaraha-miasa izay. Iaraha-mahita sy miaina ny vokatr’izany ankehitriny. Tsy nitondra soa ho an’ny firenena Malagasy ny fiaraha-niasa tamin’io firenena nanjanaka azy fahiny io. Porofo mitohoka amin’ny tendany ny fitomboan’ny fahantrana sy ny fikorosofahan’ny firenena. Raha tena nisy marina ny finiavan’i Frantsa hampandroso an’i Madagasikara efa an-taonany maro no nandray fepetra tsy hahatongavan’ny firenena amin’izao toerany izao izy. Tsy iadian-kevitra izany, fa olona nandranto fahalalana sy nanovo kolontsaina tany aminy ny ankamaroan’ireo olona nihazom-pahefana teto amin’ity firenena ity nandritry ny taona maro. Avy amin’ireo no nahafaraidiny ny vahoaka Malagasy sarambabembahoaka toy izao. Ary azo heverina mihitsy ho paik’ady sy politikan’i Lafrantsa aza no namaritra ny lalan-kizoran’i Madagasikara mandraka ankehitriny. Misy dian-tanan’ny mpitondra frantsay mandrakariva izay zava-misy sy mitranga eto amin’ity firenena ity, hatramin’ny niverenan’ny fahaleovantena.

Dia karazany namerin-“desona” ihany i Andry Rajoelina afak’omaly iny sy nanao tsiahy ny vokatry ny zava-bitan’ny mpitondra frantsay teto. Moa tsy tany Frantsa rahateo no nanambarana voalohany ny Iem, izay natao makotroka tokoa, ary niaraha-nahita tamin’ny fahitalavitra ireo vazaha maro isan-karazany nanatrika izany? Dia mody miresaka izany indray tamin’iny andro iny sy ny hoe hanohana izany ny fitondrana frantsay. Tsy filalaovana ny vahoaka Malagasy fotsiny ve izany? Dia niseho nanome vola kely “kadoa” ho fanohanana ny tetikasa izy. Fa ampahafirin’ny harena tsy hita pesimpesenina norobainy teto hatramin’izay ka mandraka izao izany, tsy toy ny vaingan-drano bitika dia bitika indray mitete ao amin’ny barika lehibe? Hahavariana sy mampieritreritra tokoa raha handokandoka ny fitondrana frantsay ho mpanohana an’i Madagasikara ny fitondrana Rajoelina.

Ny tena andrasana amin’ny fitondrana dia ny fahasahiana hitabataba ho ren’izao tontolo izao, fa tsy eto Madagasikara ihany, ny fitakiana famerenana ireo Nosy Malagasy tsy misy fifanarahana manokana any ambadimbadika any, ny fanonerana ny harena lasany hatramin’izay tamin’ireo Nosy ireo, ny fanonerana ny habibiana nataony nandripahana ireo Malagasy nitolona tamin’ny 1947. Ny fanarontsaronana ny zavatra nataony sy mbola ataony eto amin’ity firenena ity amin’ny alalan’ny tolotolotra vola samihafa, mila heverina ihany fa tsy nampandroso ny firenena hatreto.