IANAREO NO TE HO EO

Ianareo no te ho eo, tsy sanatria hoe noterena,
K’aza mody miala bala sy mamorona hafetsena.
Irony kiana sy tsikera ‘ndeha henoy am-pitoniana,
F’aza raisina daholo ho lainga sy fanaratsiana.

Ianareo no te ho eo ka dia miezaha hamboatra saina.
(Mety ho maro ny tsy tia tsy vitsy koa ireo hitaraina!)
Saingy ataovy an-tsaina kosa fa matoa ‘nareo mijoro
Dia mivonona ny hahitsy sy manaiky ny hatoro !

K’aza tezitezi-poana f’ianareo no te ho eo.
Aza manabanty ny hafa na mampiakapiaka-peo.
‘Ndeha tantazo izay miseho dia arosoy ny vahaolana,
Fa misosa tsy azo tanana na ny andro na ny volana.

Tsy hoe hangina ny tsikera raha enjehina daholo
‘Reo lazaina ho mpanohitra sy ‘reo tsy mitovy volo.
Tsy ny fanenjehana azy no hampikombona ny vavany,
Fa vao mainka ireny ho afo handrehitra ny ‘tsy fitiavany” !

…Ianareo no te ho eo ka ‘zay mitranga dia tantazo.
Asehoy ny paika vao fa aza ny efa tontalazo.
Be ny nofy tsy tanteraka ka aleveno sy farano.
Aza tia mampanantena sy mamorona angano .

DADAN’i ZINA (20-02-20)