FILOHA MASOANDRO INDRAY ?

Filoha masoandro indray no hisy ka dia efa miomàna.
Ny masoandro mantsy izao no ankalazaina eto an-tanàna.
Raha vao mihetsika dia io fa ny masoandro no indramina,
Hanafenan’ny mpitondra izay rehetra tsy milamina .

Tetikasa tsy mazava, mbola tsy hay izay fivoarany,
Nefa dia “tanamasoandro” no napetraka ho anarany.
Ary angaha izany ihany fa ny kianja koa no lalina
Indro raikitra ho “masoandro”, ho masoandro sasak’alina?

Ny masoandro ve izany no ho “masina” ivavahana?
Ampiasaina ho tampi-maso na koa vonjy iantorahana?
Ny “masoandro tena izy” dia tsy manam-piangarana,
Fa tsy toy ny ankehitriny, atao fitaovam-pangalarana!

K’aza faly mindran-dava ny masoandro mpanafàna,
Ho fanafenana ny lesoka, ry mpitondra fanjakana,
Fa meteza ianao hijoro, ampiasao ny fahefana,
Ho amin’ny tsara hatrany anefa fa tsy ho amin’ny hadalana!

DADAN’i ZINA (18-02-20)