Monde Justice – Hiaro hatramin’ny farany ireo fananan’ny Malagasy

Ny avy amin’ny Monde Justice nitafa tamin’ny mpanao gazety tetsy Anosy

Helisoa

Efa nilaza hatrany ny Monde Justice, fikambanana mijoro eto Madagasikara, sy any ampitandranomasina, fa hiaro ny fananan’ny Malagasy, izay bodoin’ny vahiny izy ireo, na eto an-toerana io, na any ivelany. Nisy omaly ny fihaonan’ny mpikambana Monde Justice eto Madagasikara tamin’ny mpanao gazety tao amin’ny SOLIMOTEL Anosy, ka lahadinika tamin’izany ny resaka Nosy manodidina fananan’ny Malagasy, izay bodoin’ny Frantsay sy ny resaka Ambohitrimanjaka.

Manoloana ny filazan’ny filoha Frantsay, fa hatao valan-javaboaharim-pirenena fananan’ny Frantsay ny Nosy GLORIEUSES dia miantso ny filoha Andry Rajoelina hanatanteraka ny zavatra tapaka nandritra ny fivoriana teny amin’ny CCI Ivato izay fampanatenana nataony tamin’ny vahoaka Malagasy ny fikambanana. Efa nilaza tamin’ny fomba ofisialy ny Firenena Mikambana, fa nosy Malagasy ny Iles Eparses, hoy Arlette Ramaroson, filohan’ny Monde Justice eto Madagasikara, sady mpitsara iraisampirenena, fa tsy misy resaka fiaraha-mitantana ireo Nosy ireo ary ny Malagasy ihany no mandidy sy manapaka amin’ny zavatra rehetra tiana hatao eo hoy izy.

Fa mikasika ny fakàna ny tanin’ny Malagasy indray toy ny eny Ambohitrimanjaka dia tsy hanaiky io velively izahay hoy James Ratsima sy ny solotenan’ny mponin’Ambohitrimanjaka . Ny antony, tanimbary mamokatra io, ao anaty velirano faha-9-n’ny filoha Rajoelina ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ka tsy tokony ho totofana io. Eto izahay dia milaza hoy ny Monde Justice fa mila ho fantatry ny Malagasy ny lisitry ny tany alain’ny fanjakàna satria betsaka no efa tonga mitaraina amin’ity fikambanana ity ireo Malagasy very zo alaina aminy ny fananany manerana an’i Madagasikara.