Fihaonambe ho fameloma-maso ny TIM

Ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, Marc Ravalomanana

Helisoa

Antoko matanjaka eto Madagasikara ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) fa tsy araka ny lazain’ny sasany, fa ho faty raha vao tsy lany ben’ny tanàna ny kandida natolotry ny TIM eto Antananarivo Renivohitra . Ny alarobia 26 febroary ho avy izao eny amin’ny Andy By Pass Alasora Antananarivo Avaradrano dia hisy ny fihaonambe ho fameloma-maso ny antoko, hataon’ny birao mitantana ny Tiako i Madagasikara manomboka eny amin’ny fototra Foko-TIM, COM- TIM , DISTIM , REGTIM , ny birao politika , ny olomboafidy,… hanomboka amin’ny 10 ora maraina.

Natao izao araka ny fanambaràna ho fanamafisana ny rafitry ny antoko isam-paritra ary fotoana hampisehoana ny sekretera jeneraly vaovaon’ny antoko TIM Rina Randriamasinoro ary ireo mpiara-miasa aminy . Eo ihany koa no ampisehoana ireo ben’ny tanàna vaovao lany tamin’ny anaran’ny antoko sy ny mpanolotsaina ny tanàna. Raha antoko mandeha samirery dia ny antoko TIM no antoko matanjaka indrindra eto Madagasikara amin’izao fotoana, satria ananany olom-boafidy avokoa ny rafitra rehetra efa nanatanterahana fifidianana teto amintsika, na nisy aza ny hosoka sy ny hala-bato nandritra ireny fifidianana samihafa efa vita ireny. Ao anatin’ny fanoherana ny antoko amin’izao fotoana ary mivonona hatrany amin’ny mety hisian’ny fifandimbiasam-pahefana eto amin’ny firenena.