Filoha Macron – Manohy ny didin’ny be sandry ataony amin’ny Nosy Malagasy

Niaina

Manao di-doha ny maha an’ny Frantsay ny Nosy Glorieuses ny filoha Frantsay Emmanuel Macron. Izay no azo ilazana ny fanambarana vao nataony indray, fa hatao valan-javaboaharim-pirenena ho an’i Frantsa, na reserve naturelle nationale ity Nosy an’ny Malagasy ity mialohan’ny volana jona 2020 fara-fahatarany, hoy izy.

Raha izany fanambarana nataony izany dia tsy misy mihitsy ny hoe resaka fiaraha-mitantana na co-gestion izany, na zavatra hafa, fa vao mainka aza hamafisiny ny maha-tanin’ny frantsay an’ireo nosy Malagasy ireo. Ny fitondrana Rajoelina dia milaza fa hitaky ireo nosy ireo, ny zavatra vao rentsika izany anefa dia zavatra hafa tanteraka, ary ny tena mahagaga dia toa mifanitsaka amin’ilay daty nifanomezana, fa hoe ho vitaina alohan’ny 26 jona 2020 ny amin’izay hitantanana an’ireo nosy malagasy ireo. Mbola mitohy izany ny fanaovan’ny Frantsay didin’ny be sandry aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, sy ny Lakandranon’i Mozambika, ka mbola ho sarotra amintsika Malagasy ihany aloha hatreto, ny hitaky ireo nosy ireo amin’i Reny Malala.