NY VELIRANON’NY MPITONDRA ANKEHITRINY

Velirano mandeha ila, tena izany ilay natao,
Hany ka tsy mahagaga, gidragidra lava izao.
Ilaina ny fifampierana fa tsy hevitr’olon-drery,
Izay vao misy velirano heverina ho manan-kery.

Velirano mandeha ila, izay ilay nisy teto an-dasy.
(Tsy araka ny soatoavina sy ny fomba malagasy).
Ilaina ny fifanekena ho mazava tsisy pentina,
Izay no tena veliranon’ny mpitondra sy ny entina.

Velirano mandeha ila (noho ilay saina tia letrezana).
Tsy hampandroso firenena fa toa zary fihomehezana!
Mila miato ny mpitondra dia mamakafaka tsara,
Ary ireo mpanolotsainany, mila mianatra tantara.

Velirano mandeha ila, mahamenatra raha tsorina.
Misy fototra tsy mety ka ho ratsy ny haorina.
Velirano sadasada, velirano diso anarana.
Tsy hitondra ny vahoaka ho eny an-dalam-pivoarana.

DADAN’i ZINA (16-02-20)