EDITO 18 Febroary – Tompon-dakan’ny fampanantenana poakaty Rajoelina

Ny Valosoa

Nitsofana mozika sy nidobohana amponga ny fanambarana nataon’Ingahy filohan’ny Banky Afrikana momba ny Fandrosoana (BD), nandritran’ny fihaonana an-tampony faha33, natrehan’ny filohampirenena afrikana notanterahina tany Addis Abeba Ethiopia farany teo, nilaza ity filohan’ny banky ity fa “tompon-daka” amin’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo aty Afrika hono ny filoha Malagasy.

Mazava ilay fanambarana fa “tompon-daka” amin’ny ady, izay midika hoe vao miady, fa tsy mbola tonga amin’ny fandresena ny tsy fanjariantsakafo, satria ny tarehimarika sy filaharana ary fanadihadian’ireo fikambanana iraisampirenena momba an’i Madagasikara dia mibaribary, fa ratsiratsy toerana ihany isika Malagasy tamin’iny taona 2019 nitondran-dRajoelina manontolo iny, raha mikasika ny sosialimbahoaka.

Ny tena marina dia tompon-daka amin’ny lafinjavatra maro Ingahy filoha ankehitriny, anisan’izany eo amin’ny fivadihana amin’ny sonia natao toy ny tamin’ireny fifanarahana tany Maputo, Addis Abeba sy Prétoria ireny, mbola ao koa ny maha-medaly volamena azy amin’ny fampanantenana poakaty toy ireny miseho any amin’ny faritra Alaotra ireny: Kianja Rasolonjatovo, RN44, Tohadrano tao Tanambe,sns… fa tsy gisitra koa Ingahy Rajoelina teo amin’ny fandrobana nanomboka tamin’ny 2009, ka hatramin’izao izy efa mpitondra izao.

Fa raha iverenena ny voalazan’Ingahy filohan’ny BAD dia alaimpanahy hiteny hoe, fa Inona ny an’ilay rangahy io no mijery? toa tsy mahita ny zava-misy eto Madagasikara, dia odian-dRangahy io tsy hita ve ny fanilihana ny tantsaha any Bas-Mangoky fa omena ny vahiny ny velarantany mirefy 60000ha, kanefa ny tanora Malagasy nampanantenaina fa omena tany tsy hita hatramin’izao, fa ny akaiky indrindra dia ny anterisetra ataon’ny fitondran-dRajoelina haka ny tanimbahoaka eny Ambohitrimanjaka izay mifanipaka tanteraka amin’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo, ka raha minia tsy mahita izany ity tompon’andraikitra iraisampirenena ity dia izy no filohan’ny “bado” aty Afrika