Antoko TIM – Ainga vao, sekretera jeneraly vaovao, serasera vaovao

Helisoa

Ainga vao, sekretera jeneraly vaovao, tompon’andraikitry ny serasera vaovao, ny anivon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), nanomboka afak’omaly. Nisy ny nanambara taorian’ny fifidianana ben’ ny Tanàna farany teo, fa raha vao tsy lany eo hoy izy ireo ny kandidà ben’ny Tanàna atolotry ny TIM eto Antananarivo Renivohitra dia ho faty tsy hisy intsony izany antoko Tiako i Madagasikara izany; izay antoko noforonin’ny Filoha Marc Ravalomanana. Natao lohatenin-gazety be mihitsy izany vao nanambara ny tribonaly miady amin’ny fanjakàna, fa lany ben’ny Tanàna i Naina Andriantsitohaina. Diso tanteraka ary vasoka be ireo gazety mpomba ny fitondràna TGV, izay lazaina fa mpandresy lava nefa matahotra ny TIM, lazainy fa antoko resy lava.

Arak’izany, voafidy ho sekretera jeneraly vaovaon’ny antoko ny kandida ben’ny Tanàna teto Antananarivo Renivohitra Tahiry Ny Rina Randriamasinor . Nosafidiana ho sekretera jeneraly ny TIM ity farany hoy ny filoha Marc Ravalomanana; ary ny depiote Fidèle Razarapiera kosa no hisahana ny seraseran’ny antoko. Tsy mora ny adidy miandry azy ireo hoy ny filoha nasionalin’ny TIM, fa mirary soa ho azy ireo isika hahavita be amin’izany andraikitra sahaniny amin’ny fanomezana ainga vao ity antoko ity izany. Never give up, na tsy hilavo lefona mihitsy isika, hoy i Dada nandritra izany.

Nanambara kosa ny sekretera jeneraly, Rina Randriamasinoro raha nandray fitenenana fa hamelomaso sy hitondra ainga vao ho an’ny antoko ny tenany, ka voninahitra ho azy ny hanatanterahany izany . Tsy ho vitako izaho samirery anefa izany hoy izy, raha tsy misy ny fifanampiana eo amintsika tanora mahay sy mahalala ary vonona hijoro sy hamelomaso hatrany ny antoko TIM. Tao anatin’izany no nankasitrahan’ity tanora sekretera jeneraly vaovao ity ny filoha Marc Ravalomanana, sy ireo mpikambana rehetra nametraka ny fitokisana taminy ary vonona izy ireo hanao fanamby hampiroboroboana ny antoko Tiako i Madagasikara hatrany.

Amin’izao fotoana tokoa dia ny antoko TIM no antoko lehibe indrindra eto Madagasikara, ny hafa dia vondron’antoko fa tsy antoko mandeha irery toy ny TIM. Ny IRD, na IRK tokoa dia antoko maromaro no mivondrona ao anatin’izany, fa tsy antoko tokana toy ny antoko najoron’ny Filoha Marc Ravalomanana: antoko manana senatera, manana depiote, manana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina koa ankehitriny. Raha ny antoko TGV an’i Andry Rajoelina manokana dia tsy mitovy amin’ny haben’ny TIM ny habeny raha mampitaha antoko samy antoko.