Ravalo, Rina, Fidèle,… – Handamina sy handrindra ny TIM any amin’ny faritra

Isambilo

Handamina sy handrindra ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) any amin’ny faritra, ho an’ireo misy olana, ary hanamafy ny antoko ho an’ireo azo lazaina ho mandeha tsara ny fandaminana any an-toerana, ny filoha nasionalin’ny antoko Marc Ravalomanana, sy ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, ny tompon’andraikitry ny serasera Fidèle Razarapiera, sy ny hafa,… manomboka izao.

Ainga vao sy rivo-baovao no ao amin’ity antoko natsangan’i Dada, tao aorian’ny nanoloana ny sekretera jeneraly tamin’ity herinandro ity, sy ny nifidianana tompon’andraikitry ny serasera vaovaon’ny antoko ihany koa. Hiara-hientana amin’izy ireo amin’izany hetsika hataony ato ho ato izany ho fanamafisana hatrany ity antoko lehibe indrindra eto amin’ny Nosy ity, ireo olom-bofidy TIM: senateran’i Madagasikara, depiote, ben’ny tanàna, mpanolotsaina monisipaly sy kaominaly, ireo tompon’andraikitra isanisany any amin’ny faritra manomboka amin’ny foko-TIM, ny Com-Tim, ny Dis-TIM ary ny Reg-TIM, sy ireo mpikatroka any ifotony, na ireo mpomba ny Filoha Marc Ravalomanana ihany koa, sy ny maro hafa,…

Mihazakazaka ny raharaham-pirenena hoy ny depiote Fidèle Razarapiera, noho izany, tsy maintsy miomana ho amin’izany ny antoko TIM sy ireo mpiara-dia aminy, mba tsy ho tratra aoriana amin’izay zavatra mety hitranga eto amin’ny firenena. Ny antoko TIM dia velona sy miaina hatrany hoy ihany koa, ny filoha nasionaly, sy ny sekretera jeneraly Rina Randriamasinoro, noho izany tsy tokony hatoritory ny rehetra fa hisy hatrany ny hetsika hatao, toy izao ho fanetsehana ny antoko any amin’ny faritra isanisany izao indray.