EDITO 11 Febroary – Firenena mitoetra eo ambony tsy fahamarinana i Madagasikara ankehitriny

Sôh’son

Tsy mbola fantatra ny marina amin’ny raharaha namonoana ny kolonely Richard Ratsimandrava 45 taona lasa izao. Ilay lehilahy heverin’ny vahoaka Malagasy hanandratra azy avo ao anaty fahamarinana, sy fanajana ny fahamasinan’ny soatoavina tena maha Malagasy tokoa. Nahoana no zary antontan-taratasy na “dossier” mimpirina, na mivalona any ny raharaha hatramin’izao, ary ny fitondrana ankehitriny tsy volony velively hanapongatra ny amin’izany. Hamaly ny sasany amin’ny endri-panontaniana hoe “hikatsaka ny marina ve?” Toa tsy ity fitondrana ity velively no andrasana sy antenaina amin’izany.

Maro ireo raharaha tsy mazava eto amin’ity firenena ity, ary tsy fantatry ny vahoaka ny tena marina momba azy. Tsy ho fanta-bahoaka velively ireo, satria ho an’ny mpandinika ny tantaram-pirenena dia misy sokajin’olona eto mpanamboamboatra ny sehon’ny tantara marina. Ary tsy mety amin’ireo ny hahafantaran’ny vahoaka Malagasy ny marina amin’izay tranga sarotra miseho eto. Tsy mandeha ho azy koa anefa izany fa misy volongita mifandray tendro amin’ny vahiny ao anatin’izany, ary ny mpanao politika maloto frantsay no anisany voalohany namany amin’izany.

Tranga iray lehibe tsy fantatra ny marina hatramin’izao ihany koa, ohatra, ny nahaverezan’ny satroboninahitry ny mpanjakavavy Ranavalomanjaka. Tao anaty andron’ny fitondrana tetezamita no nahavery azy io. Ny jeneraly miseho babany amin’ny fikarohana zava-tsarotra toy izany teto ary tompon’andraikitra ambony teto amin’ny firenena tamin’ireny fotoana ireny dia tsy nahitana fanazavana mazava sy tsy nahitana mangirana tamin’ny fanadihadiana. Nahoana no avelavelan’ny fitondrana Rajoelina amin’izao toy ny tsy misy izany fanaka sarobidin’ny fitondrana Malagasy izany? Kanefa miseho hamita ny asa fanarenana ny Rovan’i Manjakamiadana ankehitriny? Tsy fihetsika mandeha ila ihany ve izany, mba tsy ilazana hoe “poak’aty”. Miseho ho hanandratra ny kolontsaina Malagasy ity fitondrana ity kanefa tsy hita ho sarotiny amin’izany asa ratsy nitranga izany?

Mbola manamafy izay fihetsika hafahafa asehony izay ny tsy firaikana na kely aza amin’ny fandraisana fepetra sy fanenjehana ary fikarohana izay tena atidoha marina amin’ny vaky fasana sy halatra taolam-paty ity. Tena soatoavina lehibe iray amin’ny Malagasy ny fanajana ny toerana hametrahana taolambalo sy ilevenan’ny razana ary ny razana mihitsy. Nahoana anefa no toy ny efa nitranga hatramin’izay ihany no mbola mitohy ankehitriny sy ny fomba fiasan’ny fitondrana? Raha tsy voavahan’ity fitondrana ity io tranga iray lehibe io dia tsy azo heverina ho mpiaro marina sy manandratra ny soatoavina Malagasy izy. Ary rehefa tsy misy afinafenina ny marina momba azy, izay vao hiala ny ahiahy rehetra ao anatin’io raharaha io.

Maro ny raharaha tsy mazava eto amin’ny firenena ankehitriny ary mitombo hatrany izany. Ny fahitana izany, ho an’ny mpandinika, dia firenena mitoetra eo ambony tsy fahamarinana i Madagasikara amin’izao fotoana izao, ary zary mbola ifikiran’ny sasany aza izany. Izany ve no firenena havela ho lovain’ny taranaka fara aman-dimby?