NY ATAO NO MIVERINA

Aleo ve ny lasa mba homba ny lasa
Satria efa azonareo irony seza?
Ny atao no miverina ka mahandrasa
Ry ilay boaikely mitonona ho ngeza!

Tadiavinareo tsy hotsarovana intsony
Ireo fomban-devoly nakam-pahefana?
Ianjonanareo izay tafakatra ambony
Ireo vahoaka maro ianjadiam-pahantrana?

Dia aleo irony lasa mba homba ny lasa,
F’izay sisa teny mba tonga ao am-bava?
Mba mieritrereta, aneneno ireo asa,
Dia ny asan-jiolahinareo ry mpandrava!

Ireo olona hendry dia mbola hahatsiaro
Ny vitanareo ry mpanao fandrobana.
Anterina ihany , ary mino ny maro:
“Ny atao no miverina” ka miomàna!

DADAN’i ZINA (08-02-20)