Rajoelina, Roindefo, sy ny forongony… Nanao sorona vahoaka ny 7 febroary 2009

7 Febroary 2009

Ny Valosoa

Tamin’ny laharana 1008 dia noresahina teto amin’ny gazetintsika Ny Valosoa Vaovao, ny halozan-dRajoelina sy ny forongony ny 26 Janoary 2009 nandoro tanàna sy nandroba fananana, izay vako-pirenena sy an’olontsotra, tsy vitan’izay ihany fa niteraka fatiolona ihany koa ny nataony satria ny fandorana ny ” Trading Center” dia nahafatesana olona marobe. Andro vitsy monja taorian’io dia atambo hafa indray no nokotrehin-dRajoelina sy ny mpanompony satria tsy fandrobana sy fandorana intsony no nomanina, fa fikasana handatsakaina mihitsy.

Ny Zoma 6 Febroary 2009 dia nifamotoana teny Ambatobe ireo karazan’olona samihafa, izay niketrika ny hisian’ny fatiolona ny ampitso 07 Febroary 2009. Niara-nivory tamin’i Andry Rajoelina teny Ambatobe ry Monja Roindefo, Alain Ramaroson, Ny Hasina Andriamanjato, sns… ny tanjona dia ny hisian’ny rà latsaka hahazoana mandoto ny Filoha Marc Ravalomanana ho mpamono olona.

Ny Sabotsy 07 Febroary 2009 dia nambara, fa hotendren’i Andry Rajoelina eny amin’ny kianjan’ny 13 Mey ny Praiminisitry ny tetezamita, ary voalaza koa fa ho tonga eto Antananarivo ilay mpanakanto malaza nanao sesitany ny tenany tany Frantsa hanafana ny lanonana, kinanjo tsy tonga tampoka.

Io Sabotsy io dia notendren-dRajoelina ho Praiminisitra i Monja Roindefo, ka notsofiny rano haka ny Lapan’Ambohitsorohitra miaraka amin’ny vahoaka marobe niainga tao amin’ny kianjan’ny 13 Mey, nandalo ny Hotel Glacier, nihazo an’ Ambohijatovo dia niakatra an’Antaninarenina , ny tanjona dia ny hitondra ireo vahoaka marobe ho vonoina hatao sorona. Tratra ny tanjona ho an-dRajoelina sy ny forongony satria nirefotra ny basy ary maro ireo namoy ny ainy, nisy mpanao gazety mpaka sarin’ny RTA maty voatifitra, kanefa tsy nisy ny fitoriana nataon’ny mpampiasa azy.

Nisavorovoro Antananarivo iray vohitra noho ny fatiolona, novoizina mafy tamin’izany fa mpamono olona ny Filoha Ravalomanana, voaporofo anefa nandritra ny fitsarana ny raharaha 07 Febroary dia nanambara ireo voatifitra, fa nianjera nankany aloha avokoa, ny dikan’izany dia avy any aoriana no nitifirana azy ireo, mazava izany fa tsy nisy fitifirana niainga avy tao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra ary ny fitiliana nataon’ireo mpitsabo dia mazava, fa tsy balana kalachnikov no nahafaty ireo niharam-boina fa basy jiosy.

Ny dikan’izay voalaza rehetra izay dia tsy mitombina ny fiampangana ny Filoha Ravalomanana, ny Sekretera Jeneraly miadidy ny Zandarimariampirenena ankehitriny aza nitatatata hoe ho any Afrika Atsimo hono izy hisambotra an’i Dada, izao efa eto ny Filoha Ravalomanana tsy hita izay atao, ny tokony hataon’ity Jeneraly ity dia mitady ny tena tompon’andraikitra tamin’ny vono olona izay tsy alavitra fa manodidina azy ao ihany.

Mikasika ireo namoy ny ainy dia indrisy fa matimaty foana, mody hanaovana fotoampivavahana fahatsiarovana isaky ny 7 Febroary kanefa dia hita fa famendrofendroana sy fandatsana ny maty mihitsy.