6 Febroary – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao sy ny mpamaky azy izao manaraka izao.

Akory ny hagagana nahita ity vaovao ity fa nahazo IST, tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara i Ny Rado Rafalimanana.

Tsy hidirako lalina ny antony nahatonga ilay IST fa dia izao fotsiny! Hitako any amin’ny commentaires fa maromaro ihany ireo malgache mpiondana vahiny no faly naheno fa nahazo IST Ny Rado Rafalimanana.

Izay ilay toen-tsaina anisan’ny nampahantra an’ity Madagasikara ity, ka rariny raha farany
maneran-tany. Tsy voakitika ireo vahiny marobe manjakazaka eto. Madio daholo ve izy ireny? Voaharamaso sy voahorakoraka rehefa misy malagasy hamoahana didy. Avahako tsara ny malgaches sy ny malagasy.

Ratsy loha tanteraka ny ankamaroantsika ary tena ory hava-manana. Voalohany amin’ny fanenjehana sy famotehana ny malagasy mitovy ami’ny tena.

Tonga dia vantaniko hoe: tsivano-toetra. I Fleury Rakotomalala moa anisan’ireo malagasy manohana antsika any ivelany ary dia io halaina baraka sy rahonana io.

Andriamihaja Kevin
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao