LANJAO NY TENY IZAY HAVOAKA

Mba jereo ny zava-misy, izay ianao vao mikabary,
Fa tsy faly hieboebo “hanadala mpaka sary”!
Ny valala toa tsy an-tanana, nefa dia atolo-jaza.
Izany ve tsy rediredy ry mpamitaka malaza?

Ny sarety indray mazàna no indro lasa eo anoloana,
Fa ny omby, ery aoriana, tsy mazava, fa nahoana?
Efa miainga izao ny asa, hoy ianao, mirehareha.
Nony injay jerena anefa, tsisy zavatra mandeha

Ny vato fototra no eo fa tsisy zavatra mba miainga.
Ny mpijery ve no jamba sa ianao no rain’ny lainga?
Mandiniha ka mihevera ry mpamitaka ikoizana.
Tsy misasaka ny lalana ka tandremo sao ho vizana!

Tena ilaina ny miteny, ilaina ny miseho vahoaka,
Saingy aleo mangina ihany raha tsy misy ny hapoaka.
Tsy ny fihetsikao ivelany no hampivoatra firenena,
Ary koa fantaro hatrany: ny mangina volamena

DADAN’i ZINA (23-01-20)