HCC Ambohidahy Mandidy ny governemanta hanaja lalàna

(Tia Tanindrazana, RTT, 06/02/2020)

Nivoaka omaly alarobia 5 febroary ny fanapahan-kevitra laharana 04-HCC/D3, avy amin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) mamaly ny fitoriana napetraky ny filohan’ny antenimierandoholona ny 4 janoary 2020 momba ireo tsy fanarahan-dalàna nataon’ny fahefana mpanatanteraka tamin’ny 2019.

Azo raisina ny fitoriana, hoy ny HCC ary mila mametraka ireo volavolan-dalàna nasiam-panitsiana eny amin’ny parlemanta amin’ny fivoriana ara-potoana manaraka ny governemanta mba handinihana sy hankatoavana azy ireo. Raha tsy izany dia heverina ho tsy misy sy tsy manan-kery ireo fanapahan-kevitra izay nosoniavin’ny filoham-pirenena nandritra ny fotoana nanomezana azy fahefana hanao lalàna tamin’ny taona 2019.

Tamin’ny fotoana tsy nampisy ny Antenimieram-pirenena moa no voatondro tao amin’ny fitoriana ity. Raha ny voalaza ao dia tokony hampandalovina sy hankatoavina eo anivon’ny Antenimiera roa tonta ilay didy hitsivolana mandritra ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ireo Parlemanta farany teo saingy tsy tanteraka. Anisany ny didy hitsivolana laharana 2019-002 momba ny fitantanana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Manaraka ny didy hitsivolana laharana 2019-006 momba ny antenimierandoholona izay nanovana ny isan’ny mpikambana, ary ny didy hitsivolana laharana 2019-009 momba ny lalàna mifehy ny harena ankibon’ny tany. Tsy tafiditra ao anatin’ny mila averina dinihana eny amin’ny parlemanta kosa anefa ireo didy hitsivolana nanekena findramam-bola amin’ny any ivelany.

Ny filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao

Mazava ny resaka eto fa mitombina ny ahiahin’ny filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao sy ny fitoriana napetrany teny Ambohidahy, ary tena nisy izany ny tsy fanajana lalàna tamin’ny 2019 nataon’ny filoham-pirenena izay lehiben’ny fahefana mpanatanteraka. Maro an’ísa eny amin’ny antenimieram-pirenena ny IRD ka azo antoka fa tsy hisy olana firy ny fankatoavana ireo lalàna mila averina dinihina ireo. Manaratsy endrika indray ny fitondrana Rajoelina izao, indrindra eo imason’ny mpiara-miombon’antoka sy ny sehatra iraisam-pirenena izaymanaporofo fa tsy voahaja ny fanjakana tsara tantana.