Andranomanelatra – Iharan’ny fanenjehana politika ny mpitarika ny Jeune TIM

Dina, anisan’ny mpitarika ny Jeune TIM any Andranomanelatra

Niaina

Iharan’ny fanenjehana politika amin’izao fotoana ny mpitarika ny Jeune TIM, na ny tanora any Andranomanelatra Antsiarabe II. Manomboka miseho tsikelikely ny fanenjehana sy ny tery politika, izay atao amin’ny Jeunes TIM Andranomanelatra. Dina na Radina no filoha napetraky ny filoha Marc Ravalomanana hitantana ny Jeunes TIM Andranomanelatra, noho izy manana toetra feno fahasahiana. Ankehitriny dia manao fampihorohoroana amin’ny alalan’ny distrika ny ankilany , ary nanao fandrahonana taminy nanomboka ny faran’ny herinandro teo.

Nolazaina fa manangana sekta politika ny tenany, ary nanao velan-kevitra politika tamina sekoly: lycée fanjakana tao an-toerana ny tenany. Marihina anefa hoy Dina fa “efa nitantana ny club biblique tao amin’io sekoly io no niaviako tany, ary nitory ny tenin’Andriamanitra, fa tsy niresaka politika velively”.

Mitebiteby noho izany ireo jeunes TIM mpanara-dia azy raha hoy kosa ny nambarany hoe: “Efa nampianarina ho sahy amin’ny zavatra rehetra aho ,ary fantatro ny tokony hataoko matoa aho niditra antoko politika, tanako hatrany ny teniko, tsy tokony hisy hatahorana ny amin’izany”, hoy izy.