Mponin’Ambohitrimanjaka – Tsy manaiky hatramin’ny farany ny fanotofana tanimbary mamokatra

Helisoa

Taona zina ny eny Ambohitrimanjaka amin’izao fotoana izao ary tena tsara tokoa ny vokabary, raha ny hita sy nambaran’ireo mponina teny an-toerana. Arak’izany, nisy ny sabotsy teo ny santabary sy fifampiarahabàna tratry ny taona teo amin’ireo mponin’ Ambohitrimanjaka sy ny kaominina manodidina Fiombonana, Ankadimanga, Ambohidrapeto.

Tsara fitontona ity andro ity satria nifanandrify tamin’ny fanendren’ny filoha minisitra vaovao hisahana ny resaka tanàna vaovao ny hetsika nataon’izy ireo, ka nahafahana nanome valin-kafatra ho an’ny mpitondra fanjakàna, izay misisika ihany hanao ity tetik’asa Tanamasoandro izay tsy mitondra tombontsoa ho an’ny vahoaka eny an-toerana akory.

Hatramin’ny faha Mpanjaka ny santabary tahaka izao, ary aoka ho fantatry ny rehetra hoy Eric Randrianaivo, fa ny varin’Ambohitrimanjaka no nentina nanaovana santabary tamin’izany fotoana izany, ka hatramin’ny Repoblika voalohany. Nomena ny Filoha Philibert Tsiranana ny santabary avy any Ambohitrimanjaka sy ny manodidina hatramin’ny taona 1972. Mianàra aloha tantara hoy ny hafatra miantefa amin’ny minisitra vaovao Zasy Angelo, mialohan’ny hitsabatsabahana amin’izany fanorenana tanàna vaovao ety Ambohitrimanjaka izany satria masina ity toerana ity, ary isan’ny vohitra 12 masina eto Imerina.

Manahy izahay hoy Eric Randrianaivo, fa rehefa tsy nahomby ireo tompon’andraikitra avy eto Antananarivo dia nakana olona avy any amin’ny faritra indray hanatanteraka ny tetik’asa. Miala tsiny hoy izy, fa tsy resaka adimpoko no atao eto, fa fanamarihana ihany no ataonay. Efa nampitanay tamin’ny filoha foana fa tsy mandà ny tetik’asa fampandrosoana Ambohitrimanjaka, saingy hafindrao kosa any amin’ny toeran-kafa, fa izahay tsy hanaiky velively ny hanotofana ny tanimbarinay.

Misy ny tetika zarazarao anjakàna ety Ambohitrimanjaka, fa tsy manaiky izany velively izahay. Eo ny filazàna fa misy mpamatsy vola ny tolona ataonay, lavinay marindrano izany hoy ny solontenan’ny mponina satria isaky ny mivory izahay dia rakitra no tatazana hanaovana ny fandaniana rehetra.

Dia mbola tantara mitohy ihany no eto Ambohitrimanjaka fa dia ho hita eo ny hiafaràny raha mbola hikiribiby ihany ity fitondràna TGV ity, izay nilokaloka fa tsy haka ny tanimbary na iray metatra tora-droa aza rehefa tonga eo amin’ny fitondràna ny tenany. Tsy ny vary ihany no vokatra eny Ambohitrimanjaka amin’izao fotoana, fa be koa ny trondro misy ao amin’ny rano sy ny tanimbary eny an-toerana, ny vorona isan-karazany izay mitombo be koa noho ny rano eny.

Nisantatra ny vary amin-dronono notondrahan-tantely, sy nilaofana tamin’ny henomby sy gisa ireo tantsaha eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina ny sabotsy teo. Mbola ho avy ny santabary iombonana, rehefa hahajinja ny vary novokariny avokoa ireo tantsaha. Ny dikany, tsy hanaiky hatramin’ny farany ny fanotofana ny tanimbariny izy ireo.