EDITO 1 Febroary – Fiainam-pirenena : Sarotra ny isian’ny fiovàna

Sôh’son

Lasa resabe tato ho ato ny amin’ny fanoloana ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta. Te hiseho ve izany ny filohan’ny repoblika fa mitàna ny teniny ny amin’ny fanomezana fe-potoana ireo mpanatanteraka herintaona iasana hamitany ny iraka ampanaovina azy ireo. Dia migadona ankehitriny ny fotoana dia nisy ireo noesorina tamin’ny toerany, fa tsy nahafapo?

Ny fanontanian’ny mpandalina miainga amin’izany dia hoe: nahavita ny asany tokoa ve ireo sisa tsy noesorina? Nisy fiantraikany tamin’ny fiainam-bahoaka ve ny asa vitan’izy ireo? Ady hevitra mbola mitohy izany satria misy tsy resy lahatra ny ankamaroan’ny olona. Rehefa ho tapitra indray izany ity taona diavina ankehitriny ity, dia tsy maintsy hisy hoesorina amin’ny toerany eo, ary azo antoka fa tsy maintsy hisy izany satria tsy hahavaha ny olam-bahoaka tena maika izao fitondrana izao.

Tsy ny fanolosoloana olona velively akory no hahavaha ny olana eto, fa ny foto-pisainana amin’ny fitantanana ny firenena mihitsy no mila dinihina lalina ary mila miova. Hatreto, iaraha-mahita, fa tsy misy mampiraika ny besinimaro, zavatra nataon’ny fitondrana. Ny antony, tsy misy fiantraikany any amin’ny kitapom-bolan’ny isan-tokantrano ny asa nataon’ny fitondrana Rajoelina tao anatin’ny herintaona. Niha-kaoka aza io noho ny fidangan’ny vidim-piainana isan’andro. Ampahafiriny amin’ny vahoaka Malagasy ny mpiasam-panjakana nampiakarana karama 13%? Tsy mampihetsika na manainga ny fihariam-bahoaka sy ny fivelomany andavanandro izany, fa ny omaly tsy miova ihany no atrehiny sy iainany. Latsaka lalina loatra mantsy ny fahantrana mianjady aminy.

Samy niseho nanome toky ireo minisitra voatendry vaovao, izay toy ny hoe hanao zavatra tokoa. Ny toky fitaka fa ny atao no hita. Azo heverina hahaova ny zotra naha za-dratsy ny fitondrana hatramin’izay ve izy ireo sa vao mainka hanamafy ny fampizorana ny firenena any amin’ny lalana “mikitoantoana sy feno lavadavaka” hatrany? Hany ka ny vahoaka “mpandeha” tao anatiny tsy nisy nahazo aina nandritry ny dia tao anaty herintaona izay.

Ny fanantenana amin’ny lalan-kizorana amin’ny ho avy mbola sarotra raha ny zava-nisy sy misy no jerena. Indraindray aza maizin-kitroka izany amin’ity resabe momba ny fanomezana tany amin’ny vahiny ity tato ho ato, na ihany koa fikendren’ny vondrona vahiny sasany hitsofoka lalina amin’ny lafim-piainana samihafan’ny Malagasy hanatratra tanjona hafahafa hanimba firenena. Zary milalao tanana fotsiny anefa ny fahitana ny mpitondra fanjakana manoloana izany.