Ambohitrimanjaka – Santa-bary lehibe anio, vokatra ny vary

Isambilo

Tsara ny vokatra vary aloha tamin’ity taona ity eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina, noho izay antony izay, ho tanterahana anio eny an-toerana ny santa-bary lehibe, fotoana ihany koa izany ifampiarahaban’ny mponina sy ireo tantsaha mpamboly amin’iny faritra iny, tratry ny Asaramanitra.

Na dia efa miditra ny volana faharoa amin’ity taona ity aza isika androany voalohan’ny volana febroary, dia mbola ao anatin’ny fifampiarahabana sy ny firariantsoa noho ny taona vaovao ny eto amintsika hatramin’izao. Zava-dehibe ho an’ny mponina eny Ambohitrimanjaka sy ny manodidina tokoa ny tanimbary, satria ny vary aloha vokatra izao araka ny nambaran’ireo tantsaha eny an-toerana dia efa vary mahavita taona, mbola ho avy koa anefa atsy ho atsy ny vary vakiambiaty, ka amin’ny ankapobeny, manana ny amby ampy izy ireo raha izay resaka foto-tsakafon’ny Malagasy izay no resahana, ka ankoatra ny hohanina mahavita ny ankohonana sy ny fianakaviana mandritra ny taona dia mbola ho afaka koa izy ireo hivarotra ny ambim-bava.

Ho sarotra arak’izany, na tsy ho tanteraka mihitsy ny fikasan’ny fitondrana hanototra ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka, hanaovana ny tetikasa Tanamasoandro, ary tsy hilefitra ny amin’izany rahateo ireo mponina eny an-toerana. Iankinan’ny fiainan’izy ireo manontolo ny tanimbary: mamokatra vary, ahitana trondro betsaka, manome sakafo ho an’ny biby fiompy isan-karazany,…

Noho izany, tsy haharesy lahatra azy ireo velively ny fitondrana, eny fa na hilaza ho eny aza ny Filoha Rajoelina, efa fantatra ny hevitr’ireo mponina sy tantsaha eny, tsy azo totofana ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka sy ny manodidina, any an-kafa hoy izy ireo mitady toeran-kafa hanaovana izany tetikasan’ny Filohampirenena izany. Amin’ny 10 ora maraina anio no hanomboka ny santa-bary sy ny fifampiarahabana eny amin’ny Fefiloha Nosivita, hanasan’izy ireo ny rehetra.