EDITO 4 Febroary – Raharaham-pirenena – Tsipahan-dRajoelina ambavafo ny antoko MMM

Ny Valosoa

Iny niaraha-nahita iny ilay governemanta lazaina fa vaovao vao nijoro, voatendry faninefany ho Praiminisitra Ingahy Ntsay Christian, izay tsiahivina fa voatendry taorian’ny hetsika nataon’ireo solombavambahoaka miisa 73 teny amin’ny Kianjan’ny 13 Mey tamin’ny 2018, nambara tamin’izany fa Praiminisitra tsy mitanila hanatontosa fifidianana tsy miangatra ny iraka nampanaovina azy, kanefa dia tsy takona afenina, fa nirona tany amin’Ingahy filoha Andry Rajoelina tsotr’izao no nataony, ary tsy izy irery no namitaka tamin’izany fa Ingahy minisitra miadidy ny atitany koa, izay mbola voatendry faninefany ihany koa, rangahy io moa dia tsy tahotra tsy henatra tamin’ny fifidianana filohampirenena, fa dia namory sefo distrika an-kitsirano izao, ary nanome baiko hampandresy an’Ingahy Andry Rajoelina.

Herintaona lasa izay dia niteny Ingahy Rajoelina, fa ho tombanana hono ny fiasan’ireo mpikambana tao amin’ny fitondrampanjakana, ka izay tsy ahitambokatra mahomby dia esorina.

Taorian’ny fifidianana solombavambahoaka dia nokitihana kely ilay fitondrampanjakana, satria fomba fanao any amin’ny tany demokratika izany, mba hifanaraka amin’ny fifandanjan-kery ao amin’ny Antenimierampirenena ny firafitry ny fitondrampanjakana, dia nesorina tamin’izany Ramatoa Fienena Rejo Felicité minisitrin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, mpikambana ao amin’ny Antoko MMM io minisitra io, marihina fa nandritra ny fampielezan-kevitra tamin’ny fifidianana solombavambahoaka dia izy no niantsoroka ny ministeran’ny fanabeazampirenena sy ny fampianarana, nisolo vonjimaika an-dRamatoa Volahaingo Marie Therèse, izay nirotsaka nofidiana solombavambahoaka tamin’ny anaran’ny MMM, vita ny fifidianana, voafidy Ramatoa Volahaingo, saingy mbola voatazona tamin’ny toerana naha-minisitra azy, ka tsy nankeny Tsimbazaza, fa Ramatoa Fienena kosa notsofin-drano, ary amin’izao fitondram-panjakana nolazaina fa vaovao izao dia nongotana tao koa Ramatoa Volahaingo, Ingahy Hajo Andrianainarivelo sisa no mpikambana MMM ao amin’ny fitondrampanajakana, kanefa ihany koa nesorina taminy ny fiandraiketana ny tetikasa fanorenan-trano tafiditra ao amin’ny veliranon’Ingahy filoha DJ, mpanongam-panjakana, Andry Rajoelina.

Maro ireo minisitra tao amin’iny fitondrampanjakana teo aloha iny no azo tsapaintanana ny tsy fahombiazany, kanefa dia mbola voatazona ao, ny tena marina dia izay nahomby tamin’ny fiarovana ny sezan’Ingahy Rajoelina sy ny antokony no antsoina hoe minisitra nahay ny asany, fa ny ankoatr’izay dia ailika fa manelingelina, Ingahy Hajo rahateo efa nilatsaka ho fidina filohampirenena ary ny antoko MMM nanana ny lanjany tao anatin’ny Mapar, ka tsy maintsy fehezina tsy hanana fahefana maro izy sy ny antokony sao misongona. Nozaraina ny ministeran’i Hajo, ny dikany dia niha-nihena ny fahefany, ao anatin’ny daka ambafavo ataon-dRajoelina azy sy ny antokony avokoa izany.