Rivo Rakotovao sy ny Antenimierandoholona – Tsy miray tsikombakomba amin’ny tsy fanarahan-dalàna

Ny filohan'ny Antenimierandoholona, Rivo Rakotovao

Isambilo

Mahakasika ny fitoriana napetraka teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana (HCC) dia nanao izao fanamarihana izao ny Filohan’ny Antenimierandoholona, Rivo RAKOTOVAO, raha nahare ny fanambarana nataon’ny Loholon’i Madagasikara vitsivitsy.

Tamin’ny fotoam-pivoriana azon’ny besinimaro natrehana (séance plénière) ny zoma 13 desambra 2019 sady famaranana ny fotoam-pivoriana faharoa dia noresahina tao, fa tsy maintsy hanao “saisine” eny amin’ny HCC ny Antenimierandoholona, mahakasika ireo didy hitsivolana (Ordonnance), tokony handalo fankatoavana (ratification) eny anivon’ny Antenimiera roa tonta. Tsy nisy nitsipaka izany ny loholona rehetra izay tonga nanatrika ny fivoriana. Mialoha izany anefa, nandritra ny asam-baomiera izay natrehan’ny solontenan’ny Primatora tao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona dia nanontaniana ity farany ny mahakasika ny “ratification” an’ireo didy hitsivolana ireo, ka nanambara fa efa eo am-pandinihana azy ry zareo.

Marihany fa na tsy nanatrika fivoriana ireo Loholona nanao fanambarana ireo, na tsy nihaino tsara. Aleo ny marina no lazaina hoy ny Filohan’ny Antenimieran-doholona Rivo Rakotovao. Ireo Loholona izay nanao fanambarana dia ahitana Filoha lefitra saingy tsy tonga manatrika ny fivorian’ny Birao Maharitra. Ny Antenimierandoholona dia miasa mafy ho an’ny fametrahana ny tany tan-dalàna, ka noho izany tsy miray tsikombakomba amin’ny tsy fanarahan-dalàna.

Tsiahivina fa ny andininy faha-3 amin’ny fanapahana laharana faha-5 HCC/D3 tamin’ny 13 febroary 2019, mahakasika ny lalàna lah. 2019-001 izay manome fahefana ny Filohan’ny Repoblika hanao lalàna dia manambara fa ny volavolan-dalàna fankatoavana ireo didy hitsivolana dia tsy maintsy mandalo eny amin’ny Antenimiera mandritra ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana faharoa amin’ny taona 2019.