Filan-kevitra Monisipalin’ny CUA – Andriamparany Guy Ralitera no voafidy ho filoha vaovao

Lapan'ny Tanànan'Antananarivo

Stefa

Niatrika fivoriana voalohany ny mpanolotsaina Monisipalin’ny tanànan’Antananarivo omaly, nifidianana ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra. Telo ny kandida nifaninana ho filohan’ny Filankevitry ny tanàna dia Andriamparany Guy Ralitera narotsaky ny vovonana IRK, Andriambahoaka Faustin narotsaky ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), izay filohan’ny filankevitry ny tanàna nandritra ny fitondran’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ity farany ary Ralambomahay Toavina, no kandida naroson’ny lisitra KOMBA, avy amin’ny Antoko Politika Madio.

Tonga avokoa ireo mpanolotsaina miisa 55 mandrafitra ny Filankevitry ny tanàna. Nahazo vato 28 ny IRK, 25 ny an’ny TIM ary 2 ny an’ny KOMBA. Fihodinana indray mihodina no natao. Voafidy ho filohan’ny Filankevitry ny tanàna, nahazo ny vato be indrindra arak’izany i Andriamparany Guy Ralitera. Manana mpanolotsaina 25 avy ny IRK sy ny TIM, 3 ny an’ny KOMBA ary 1 avy ny tsy miankina Lalatiana Ravololomanana sy Tiana Laurence Randrianantoandro.

Nifidy IRK ireo tsy miankina ary namadika tsy nifidy kandida KOMBA ny mpikambana iray ao aminy, raha tarafina tamin’io isam-bato azon’ny kandidan’ny IRK io, ka nahavoafidy ho filohan’ny Filankevitry ny tanàna an’i Andriamparany Guy Ralitera.