NY AMBADIKY NY FANDRESENA

Inoana fa hoe mahafaly ny mibata fandresena.
(Mahatonga hisavoana sy hideradera tena!)
Saingy raha dia fandresena tamim-pomba tsy mazava,
Dia aleo mangina ihany sady mba mikombom-bava.

F’ao ambadik’io mazàna hisy seza hihozongozona.
Hisy kiaka sy tomany, tsipatsipaky ny trozona.
Eo no hanomboka, hono, mantsy irony lalana mideza,
Hanisana ny andro sisa hipetrahana amin’ny seza!

Ao ambadik’io mazàna hisy hetsi-panoherana,
Noho ny fo efa sendaotra sady vonton-katezerana.
Hisy olona efa romotra, hanatevina laharana.
Hisy antsoantso mafy, fitakiana tsy mifarana.

Eo no hanomboka hiseho ny tebiteby sy adin-tsaina.
Eo ny ngeza vao hiaiky f’izy anie mbola hotsaraina!
Dia ho toy ny sahobakaka am-bodiriana ry zareo:
Ho taitai-dava tsisy farany ka hisento sy hitoreo!

DADAN’i ZINA (15-01-20)