Serasera – Manenjana amin’ireo tsy manan-tsiny indray Ramatoa ministra Lozabe

Ny Valosoa

Manenjana ny tsy manantsiny indray Ramatoa Lozabe, tsy refesimandidy misahana ny serasera sy ny kolontsina, Lalatiana Rakotondrazafy amin’izao ankatoky ny fanadinana fitsapam-pahaizana, an’ireo mpikambana ao amin’ny governamanta izao. Mpiasa 52 be izao no indray noroahina tamin’ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny ORTM, na ny Ofisin’ny radio sy televiziona Malagasy. Ireo mpiasa karamain’ny orinasa manokana, na ECD avokoa ireo noroahina tamin’ny fomba feno habibiana sy fanitsakitsahana ankitsirano ny zon’ireo mpiasa izao. Fandroahana tsy misy antony akory na “renvois sans motif”. Tsy nisy ihany koa ny fampilazana mialoha na “Préavis” araka izay tondroin’ny lalàna mifehy ny asa, fa avy hatrany dia taratasy midina nosoniavin-dRamatoa Minisitra Lozabe, misy koa moa no milaza hoe Ramatoa Ministra SMOTIG, maneho ny lisitr’ireo mpiasa voaroaka, no naterin’ny “coursier” isaky ny lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny ORTM.

Ray sy renim-pianakaviana 52 indray izany izao no manampy isa ireo tsy an’asa eto amin’ny firenena. Tsy nananan-dRamatoa tsy refasimandidy antra na dia kely aza ny vady aman-janak’ireo mpiasa voaroaka ireo. Tsy fantatra mazava hatreto hoe inona no fepetra nanasokajiana ireo mpiasa noroahana ireo. Maro an’isa ireo tanora vao tafiditra niasa tato anatin’ny 3 taona. Teo ihany koa anefa ireo efa nahavita mihoatra ny 10 taona. Raha ny fahadisoana arak’asa indray (faute professionnelle) dia samy tsy nanana olana momba izany izy ireo.

Raha ny fanazavana nentin’ny Tale jeneralin’ny ORTM, Jean Yves Belalahy, araka ny fanambarana izay nataony dia nisy ny fitsapam-pahalalàna na “evaluation” natao tamin’ireo mpiasa. Nambarany fa tsy nahafapo ny fahalalàna sy traikefa ara-kasan’ireo mpiasa noroahana ireo. Tsiahivina anefa fa mpanao gazety an-tsoratra sy mpahay lalàna “juriste” avokoa ireo ekipa nambara fa nanadina ireo mpanao gazetin’ny RNM sy TVM ireo. Izany hoe tsy mahalala akory ny fomba fiasan’ny haino aman-jery izany. Misy amin’izy ireo aza no tsy mahalala akory ny fahalalana fototra amin’ny fanaovangazety an-tsary sy feo, ka mampanao asa tsy fanao amin’ny radio sy tele.

Ny mampalahelo dia soketaina sy haratsiana amin’izao rehetra izao, fa be tsy andraofana ny mpiasa ao amin’ny haino amanjerim-panjakana. Ny mahavariana anefa dia mbola ireo mpiasa ireo ihany no antsoina mampiofana ireo mpiasa vaovao hampidirin’ny minisitra sy ny ekipany. Raha tsiahivina dia ny alatsinainy 6 janoary teo, nandritra ny fananganan-tsaina fanaon’ny Ministera isaky ny alatsinainy voalohan’ny volana, no nanambaran-dRamatoa Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina izao fepetra ho raisiny momba ny mpiasa izao. Namafisiny tamin’izany fa tsy matahotra ny tomban’ezaka atao amin’ireo mpikambana amin’ny governemanta ny tenany, satria efa tafiditra tao anatin’ny vinan’asany ny fandroahana ireo mpiasa ECD rehetra ao amin’ny Ministera iandraiketany.

Raha atao ny jery todika dia ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, no Ministera nahitana olana sy niteraka resabe nandoto ny fitondram-panjakana be indrindra tao anatin’ny herintaona nitsanganan’ny governamanta. Efa tsy zoviana amin’ny mpanara-baovao intsony ny fandrahonana sy fanagejana ny mpiasa eo ambany fiadidiany, ary tsy azo hodian-tsy hita ihany koa ny disadisa eo amin-dRamatoa Ministra Lozabe sy ny mpikambana hafa ao amin’ny governemanta sy ny fitondram-panjakana, indrindra fa ny talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidina ny repoblika. Araka ny vaovao voaray dia nigagana mihitsy ny ady teo amin’izy ireo vavy ireo tany an-dafy tany. Tsy misy marina izay tsy hipoitra tokoa, fa toy ireny ady an-tsena eny Tsaralalana ireny mihitsy ny adin’izy ireo tamin’izany. Izany no santionany amin’ireo olona manodidina ny filohan’ny mpanongam-panjakana Andry Rajoelina ankehitriny.

Ho hita eo indray araka izany hoe: hatraiza ny fahefana ananan-dRamatoa Minisitra, na ny fahaiza-manaony manokana, ka mbola hitazonan’ny Filohampirenena sy ny Praiministra azy eo amin’ny toerany. Poizina ho azy ireo mangtsy ity Ramatoa ministra Lozabe ity.