Misy minia mikimpy manoloana ny loza hanjo ny firenena

Sôh’son

Maro ireo manam-pahaizana eo anivon’ny andrimpanjakana no sahy minia mamono eritreritra fotsiny izao manoloana ny zava-tsy manjary amin’ny raharaham-pirenena. Azo lazaina mihitsy ho miray petsapetsa amin’ny mpanao ratsy ao anatin’izany aza izy ireo raha ny fahitana azy. Midika ihany koa izany fa mitsipa-doha amin’ny laka nitany izy ireo ary tsy mivaky loha manosihosy ny hasin’ny firenena. Ny firenena no nahatafita azy ireo, tsy misy adihevitra izany, kanefa ankehitriny dia tsy olana ho azy ireo ny lalana diavin’ny firenena, izay miroso mankany amin’ny fahasimbana tanteraka. Io toe-javatra io dia ezahin’ireo olona migoka tombontsoa akaiky vilanin’ny fitondrana afenina andro aman’alina amin’ny fihetsika na fiteny laroin’ny politika mikatsaka, izay anampena-maso sy ahadonto sofina ny vahoaka tsy hahita sy handre ny marina tokony ho fantany.

Fa oviana akory, na fotoana inona ny vahoaka Malagasy no mba nampahafantarina sy nanehoana mangarahara marina, izay momba ny fitantanam-pirenena teto, na ny raharaha mafana nitranga nilàna fanazavana? Ny zavatra ambara mandrakariva amin’ny vahoaka teto dia efa namboamboarina avokoa, fa tsy araka ny tena marina velively. Porofo mitohoka amin’ny tendany amin’izany dia ny famoahana ny voka-pifidianana na ny vonjimaika na ny ofisialy, tamin’ny fifidianana nifanesy hatrany amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2019. Tsy misy badrahodra eto, ka tsy ahita ireny toe-javatra nanafenana ny marina ireny akory. Tsy maintsy mbola hivoaka anefa ny marina fa miandry fotoana ireny na dia ezahina ankehitriny afenina aza.

Tsy maintsy mihodina io “kodiaran-tsarety” io, hoy ilay manamboninahitra nanan-toerana teo amin’ny andrim-panjakana iray tamin’ny fotoan’androny izay tratry ny fanenjehana azy, ary izao izy miara-dia amin’ny fitondrana. Fantany araka izany, fa tsy hijanona amin’izao toe-java-misy ankehitriny ezahin’izy ireo gejaina tsy hihetsika izao raharaha famongorana ny Marina eto amin’ity firenena ity izao. Na dia ezahina ampihorohoroana sy enjehina aza ireo olom-pirenena vanona tsy manaiky ny tsy fahamarinana hanjaka eto amin’ny firenena, dia tsy afaka ny hihazona ny hihodinan’ny tantara ireo andian’olona mihazom-pahefana isan-tsokajiny, sy ireo manam-pahaizana mitana andraikitra eto amin’ity firenena ity.

Ireo olom-pirenena vanona ireo dia tsy te ho hataon’ny taranaka fara aman-dimby any aoriana ho ao anaty kitapo iray amin’ireo mpiray petsapetsa ratsy ireo ho nanapotika sy nanao izay tsy hahavanona ny marina teto amin’ity firenena ity, ka ho melohin’izy ireo amin’izany fotoana izany. Tsy maintsy manao izay hiarovana ity firenena ity tsy handia ny lalana tsy mendrika azy ny olom-pirenena saro-piaro amin’ny hasin’ity Nosy malalantsika ity. Adidy masina ho an’ny tanindrazana sy ny taranaka any aoriana izany, fa asakasak’izay minia mikimpy anoloan’ny “loza hanjo” azy.