EDITO 11 Janoary – Andrim-panjakana – Nahavita nanapotika ny fifampitokisana eo aminy sy ny vahoaka

Sôh’son
Hitombo manomboka izao ny hantsana mampisaraka ny fitondrana sy ny vahoaka. Nomontsamontsanin’ny fahefana mpitsara hita miharihary tsara sy mazava izao ny fifampitokisana hany sisa tavela teo amin’ny roa tonta. Efa hatrany amin’ny fifidianana filoham- pirenena no nanaovany izany ary tsy mitsahatra izany fihetsika izany. Ireo andrim-panjakana misy ireo fahefana telo mihitsy amin’ny ankapobeny no minia mikimpy anoloan’izany fahapotehan’ny fifankazahoana izany. Hampanahy ny hoavin’ity firenena ity manoloana ny toe-javamisy. Toe-javatra efa tsy ilàna pitsopitsony amin’ny lalàna akory fa efa hita miharihary tsara izao, na olom-pirenena tsy mahay ny fandehan’ny fifidianana velively aza nahita mazava tsara ireo zavatra tsy mandeha amin’ny laoniny tamin’iny fifidianana iny. Dia mbola ninia nikimpy ihany ny mpitsara. Fa fitondrana inona, ary fitsarana inona ity misy eto amin’ny firenena ity e?

Aoka tsy horaisina ho bado na zaza intsony ny vahoaka Malagasy. Ary aoka izay ny fanampempoana azy hanaovana tian-kano tsy tian-kano toy izao, fa tsy vahoaka tsy misy hasiny akory izy. Marina tanteraka ny filazan’ny mpandinika hoe ireo manam-pahaizana mihitsy no tena manapotika ity firenena ity. Voalohany amin’izany ny eo anivon’ny fitsarana, ary manaraka azy eo ireo sokajin’olona maro samihafa mahazo tombontsoa amin’izao fitondrana izao. Efa hita izao fa misy fivilian-dalana mankany amin’ny fahapotehana sy fahasimbana lalina ny firenena vokatry ny fanosihosena ny fahamarinana eto, kanefa iniana ikimpiana fotsiny izao. Miharihary fa tsy misy fisainana ny amin’ny fitsinjovana ny firenena sy ny taranaka any aoriana velively no atao eto. Firenena tsy hanana hasiny izany i Madagasikara sy hanana ny maha izy azy, raha tsy fahamarinana no ampanjakaina sy arovan’ny fitsarana eto n’inona n’inona ambara. Resaka fandrebirebena vahoaka fotsiny ny ankoatra izay. Tsy hisy zavatra hanjary eto na hihodin-kavia na hihodin- kavanana raha rava tanteraka ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny fitondrana. Amin’ny fomba ahoana no haneken’ny saina izany raha mbola olom-pirenena vanona ihany?

Raha mahatsiaro ho olom-pirenena vanona dia tsy maintsy mandinika lalina izao lalana itondrana ny firenena ankehitriny izao, ary tsy tafandrimandry tanteraka. Soa fa mbola misy olona ihany eto amin’ity firenena ity tsy mitsaha-mitsangana hiaro ny firenena tsy ho tonga amin’izany lalan-diso be izany ary manohitra izao “loza mananontanona” izao. Izay no hany sisa fanantenan’ny vahoaka.