Andry Rajoelina – Manitsaka ny lalampanorenana sy manao tsinontsinona ny Antenimierampirenena

Fanitsakahana lalampanorenana vaovao vao nitranga androany indray no nafitsok’i Andry Rajoelina. Taterin’ny solombavambahoaka Fidèle Razara Pierre.

Fanaovana tsinontsinona ny Antenimierampirenena no mitranga. Omaly tamin’ny 7 ora sasany alina no nahazo hafatra someso amin’ny telefaonina, izay azon’ny solombavambahoaka rehetra.

Izao no voasoratra:
“Ramatoa sy Andriamatoa Depiote hajaina isany,
Ilazàna ianareo depiote rehetra ho tonga eny amin’ny lapampanjakana Iavoloha ny Alarobia faha-8 Janoary 2020 amin’ny 11 ora maraina ho avy izao fa ho raisin’andriamatoa filohan’ny repoblikan’i Madagasikara son excellence PRM.
Misaotra tompoko.
Chef SRP Antenimierampirenena”

Fanazavana misy ato amin’ny horonampeo.


‘ http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2020/01/20200107-frp-convocationdepiote.m4a