Magro Behoririka -Sabotsy 4 Desambra 11 ora – Antso avo – Rina Randriamasinoro sy Fidèle Razara Pierre

Nanao antso avo tamin’ny alalan’ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety i Rina Randriamasinoro sy i Fidèle Razara Pierre ny Zoma 3 Desambra tao amin’ny QG Belera, nanazava ny antony.

Rina Randriamasinoro
Raha tsy misy fahamarinana eto amin’ny firenena dia tsy handroso izany mihitsy isika. Ka dia manentana.

Ny fijoroana fotsiny, tonga ny Sabotsy amin’ny 11 ora dia efa zava-dehibe. Hoe ireto izahay mandala ny fahamarinana, avoahy ny fahamarinana.

‘Feo – http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2020/01/rinabelera.mp3

Fidèle Razara Pierre
Efa tsy ho ela dia hivaoka ny vokatra ofisialy momba ny fifidianana ben’ny tanàna.

Manao antso amin’ireo manohana ny ady amin’ny ivoahan’ny fahamarinana, ho tonga maro eo Magro Behoririka ny Sabotsy 4 Desambra amin’ny 11 ora.

Hatreto dia tsy hita taratra avy amin’ny tompon’andraikitra hoe miroso mankany amin’ny zavatra takiana.

‘ Feo – http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2020/01/fidel-belera.mp3