“HO AMINAO NY FIADANAKO”

“Ho aminao ny fiadanako” hoy ny Tompo ankehitriny,
Ry vahiny miahotrahotra amin’iny lalana iny.
Ao anaty andrirahona, ao anaty andriafo,
No hisehoany ho anao tsy foiny sy f’efa novidiany lafo!

“Ho aminao ny fiadanako” hoy ilay Tompo tia anao,
Ka dia nomeny antsika indray itony taona vaovao.
Andeha esory ny ahiahy dia aoreno ny finoana,
Hitari-dalana ahy sy ianao no ijoroany eo anoloana.

“Ho aminao ny fiadanako” hoy ilay Tompo sy mpanjaka.
Izany teny fohy izany dia mitaona anao hitraka,
Tsy hiondrika hijery ny ady sarotra eto an-tany,
Fa mitaona anao hibanjina azy Tompo irery ihany.

“Ho aminao ny fiadanako” hoy ny teny mampahery,
Mba ho anao sahiran-tsaina na koa mbola miady irery.
Tiany ianao ka dia tsy foiny , omeny anao ny fiadanany,
‘Ndeha hatsory re ny tanana dia meteza hotantanany.

SEDERA RAVALISON (01-01-20)