“NEVER GIVE UP” – Tsy hilavo lefona, ary tsy ho kivy isika fa tsy maintsy mijoro – Marc Ravalomanana

Marc Ravalomanana - Fiarahabana tratry ny taona 2020 - Faravohitra - 2/1/2020

(Nosinganin’Ny Valosoa tao anaty kabary fiarahabana tratry ny taona 2020 nataon’ny Filoha Marc Ravalomanana ny Alakamisy 2 Janoary 2020)

[…]
tsy misy eto ny fametrahana ny demokrasia tena izy, fa sarintsarina demokrasia no tiana hapetraka eto. Nataon’ny mpitondra ny ezaka rehetra amin’ny fanovàna ny lalàna mifehy ny fanoherana sy ny antoko mpanohitra, na ny “statut de l’opposition” mba hampanginanana ny mpanohitra. Voahosihosy ny zo fototra amin’ ny fahalalahana maneho hevitra sy fanaovana fihetsiketsehana. Nitranga izany tamin’ny sabotsy faran’ny taona teo. Vahoaka tonga am-pilaminana dia nandefasana miaramila mirongo fiadiana. Lasa atao herimpamoretana ny vahoaka ny polisy sy ny tafika, ka ny vahoaka maneho am-pilaminana ny heviny no sakanana. Aiza izany demokrasia izany?

Tsy ny mpanao politika ihany fa natao ihany koa izay hanapenam-bava ny mpanao gazety tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra nefa sahy milaza ny marina sy ny zavamisy. Ny sazy sy ny fampihorohoroana azy ireo tsy lazaina intsony. Aoka ho fantatrareo mpitondra fa efa vanim-potoan’ny fandrosoan’ny teknolojia ny fifandraisana izao, ka tsy azonareo ferana amin’izay heviny ny vahoaka Malagasy, na ireo eto an-toerana izany, na ireo Malagasy any ivelany. Tsy voatery ho mpanohitra daholo ireny miteny ireny, fa olom-pirenena tsotra, saro-piaro amin’ny fiainam-pirenena.

[…]
… natao izay hampahantrana ny vahoaka, ka kilasy roa ihany sisa no misy eto Madagasikara, dia ny kilasin’ny mahantra, misy ny ankamaroan’ny Malagasy, sy ny kilasin’ireo vitsy an’isa mpanankarena miaraka amin’ny vahiny.

[…]
Mazava be ny teny nataon’ny Kardinaly manao hoe “olombitsy no mifehy sy manao ampihimamba ny harena eto Madagasika, ka mila mifoha amin’ny toromasony ny vahoaka Malagasy”.

[…]
Ry Vahoaka Malagasy,

Na izany aza ny zava-misy eto amin’ny firenena, “NEVER GIVE UP”. Tsy hilavo lefona, ary tsy ho kivy isika fa tsy maintsy mijoro. Mbola misy ny fanantenana amin’izao taona vaovao 2020 izao. Noho izany dia tsy maintsy tohizana ny ady amin’ny tsy rariny sy ny tsy fahamarinana satria dia mandeha any amin’ny làlana tsy tokony hizorany ny firenena. Isika mpanohitra no arofanina, ka adidy sy andraikitra tsy maintsy ho tanterahina izany. Koa sahia miteny rehefa mahita zavatra, ary mijoroa miaro ny fahamarinana sy ny tombontsoan’ny vahoaka Malagasy.

Mba ahafahana mampivondrona ny hery sy ho fandrindrana ny asan’ny mpanohitra dia hanao ny kongresy lehibe voalohany ny RMDM amin’ ity taona ity. Mbola ho lazaina amin’ ny manaraka ny fotoana hanantanterahina izany fa dia mila mifanentana mialoha isika. Manao antso avo aminareo antoko politika hafa na vondron’ olona mahatsapa fa mandeha any amin’ ny làlana tsy tokony hizaorany ny firenena mba hampivondrona ny hery miaraka aminay.

[…]
Ianareo mpitandro ny filaminana, aoka ianareo tsy ho atao herim-pamoretana, ka hanindry ny Vahoaka Malagasy mitovy aminareo. Ianareo no tandroka aron’ny vozona, atao hiaro ny Vahoaka sy ny fananany. Ianareo no atao hiaro ny fiandrianam-pirenena sy ny tombotsoan’ny Vahoaka, fa tsy ny tombontsoan’ny mpitondra sy ny antokony fotsiny ihany.
Eto am-pamaranana, dia manantena aho fa mbola ho sahy hijoro isika rehetra, ka mbola hiaro ny tombontsoam-pirenena sy ny Vahoaka Malagasy. Koa eto dia mamerina ny fiarahabana sy firarian-tsoa ho antsika Malagasy rehetra aho amin’izao taona vaovao izao.

Hombantsika hatrany Andriamanitra!


Kabary

Kabary feno, an-tsoratra, – Eto
‘http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2020/01/Kabary-Taombaovao-2020-Marc-RAVALOMANA.pdf

Sombiny – Feo

‘http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2020/01/20200102-Ravalomanana-FiarahabanaTaomBaovao-audio.mp3

Sombiny – Horonantsary

‘http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2020/01/20200102-Ravalomanana-FiarahabanaTomBaovao-video.mp4

Sary fifampiarahabana