Fidèle Razara Pierre – Ireo fanjakana ireo tsy mahazaka demokrasia

Fidèle Razara Pierre

Tokony haneho ny maha-tany tan-dalàna sy demokratika an’i Madagasikara ny mpitondra raha tena mikatsaka marina ny tombon-tsoam-pirenena, porofo amin’izany ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra amin’ny haino aman-jerim-panjakana.

“Izaho tsy mbola nahita hoe mpitondra, rehefa tonga eo amin’ny fitondràna dia manokatra malalaka ho an’ny hery velona rehetra ny onjam-peom-panjakana na TVM io na RNM. Fa rehefa tonga eo ny mpitondra dia izy no mifehy ny TVM sy RNM… nefa rehefa any ivelan’ny fitondrana ny mpitondra rehetra, na ny teo niala, na ny tsy mbola tafiditra, dia izay daholo no angatahiny hoe aleo samy afaka mampiasa an-kalalahana ny televison-panjakana sy ny radio-panjakana…

Zavatra natao tamin’ny sabotsy dia fitarafana ny fahalalahana maneho hevitra amin’ny fomba demokratika… Nentina namporofoina ny tsy fetezan’ny fifidianana amin’ny alalan’ny fananterana ireo porofo tao amin’ny Tribunal administratif…. Fa porofo aseho eran’izao tontolo izao, fanta-poko fanta-pirenena fa ireo fanjakana ireo tsy mahazaka demokrasia. Inona moa no olana amin’izay olona handeha hanatitra porofo any amin’ny tribonaly. Ny ao mametraka peta-drindrina hoe afaka mametraka fitarainana ka inona no olana?”

Nanaitra ny sain’ny maro ny nahita ny fisian’ny mpitandro filaminana maro be.

“Ny mampihomehy dia lasa ny mpanohitra indray no manao ny ara-dalàna noho ny mpitondra. Hatramin’izay ny mpanohitra dia manao zavatra tsy ara-dalàna. Fa tamin’ity ny mpanohitra dia nametraka mihitsy hoe izahay hanao zavatra ara-dalàna. Nangataka halalana tany amin’ny prefe. Rehefa tsy nomen’ny prefe ny halalana hilahatra iray kilaometatra dia tonga dia nankeny amin’ny tribonaly, nanaraka ny lalàna. Tsy nisy mihitsy nieritreritra ny hanakorontana. Fa ny fihetsiky ny mpitondra noho ny tahotra no mety hiteraka korontana. Inona no mampatahotra ny mpitondra na maha-be ahiahy azy?

Fa androany, ny mpanohitra mbola mitaky ny marina amin’ny fifidianana, dia atreho aloha. Izany tsy ilàna Banque Mondiale na FMI. Anjarantsika no mametraka ny falalahana sy ny demokrasia marina amin’ity firenena ity. Aleo hivaoka ny marina fa tsy misy manana eritreritra mihitsy hoe aleo hiala ny mpitondra.

Any an-dafy misy filaharana sy fietsiketsehana aman’hetsiny ny olona tonga manatrika izany, angaha misy mpitondra miala!”

Nangonina tamin’ny vaovao MBS