Fitondrana Rajoelina – Herintaona tsy hita mazava izay sori-dalan-kaleha

Sôh’son

Hivalona ity ny taona 2019, izay nitondran-dRajoelina sy ny forongony ary azo atao tsara ny mandrefy azy amin’izay. Inona no azon’ny vahoaka tsapain-tanana tao anatin’izay 12 volana izay? Ilay fitondrana niseho ho hahavitabe mihoatra ny sasany rehefa miakatra eo amin’ny fitondrana na dia tsy nilamina aza no niakarany teo. Ny sain’ny mpandinika dia niara-nihevitra ny amin’ny hoe hatraiza ny ho vitany raha ny fampanantenana sy ny fizahozahoany no jerena. Ny hitan’ny rehetra dia ny ezaka nataon’ny fitondrana teo alohany no novitainy sy notokanany fa tsy zava-baovao hafa mihitsy, ka nanandratra ny firenena. Hatreto ny firenena Malagasy mbola tsy nisandratra fa toy ny mponin’Israely mihodinkodina fotsiny eo ao anaty tany efitra. Misy ny mpandinika sasany sahy milaza fa raha ny fototra niaingan’izao fitondrana izao no jerena dia ho toy ny akoho mivoaka maraina ihany, ka tsy ho lasa akory. Dia iaraha-mahita tokoa ny zava-misy, fa ezaka efa nataon’ny fitondrana tany aloha tany no ezahin’ny ankehitriny tanterahina indrindra ao anatin’izao tonon-taona izao. Asa izay mbola hitranga aloha amin’ny taona manaraka hitondrany, fa ny hita hatreto dia tsy nahavita nanetsika nanala ny firenena ao anaty mangitsongitsoky ny fahantrana lalina iainam-bahoaka ny fitondrana Rajoelina.

Miseho ho manao zavatra ity fitondrana ity tato anatin’ny herintaona kanefa toy ny langilangy zozoro ihany tsy nisy afitsoka firy. Profon’izany ny fidangan’ny vidim-piainana andro aman’alina ary tsy nahita afitsoka amin’izany ny fitondrana, natao aza ny tsena mora sy ny sisa… Marina, tsy lavina misy ny asa nataon’ny fitondrana teny anivom-piarahamonina teny tao anatin’ny herintaona. Fa ireny karazan’ny fanafody parasetamôla nitsaboana aretina homamiadana ihany. Ilay fanafody kely tsy hahasitrana aretin-dehibe hahafaty ny marary no nireharehana. Dokotera inona izany? Ilay marary tsy misy fihatsaràny akory ary mbola ahiana ny hahafaty azy. Miendrika an’izany ireo olona eo anivon’ny fitondrana ankehitriny. Vao mitsabo kely kanefa fanafody tsy mankaiza akory no idedahana.

Tsy maintsy mahery ny fitenenana satria ity fitondrana Rajoelina ity miseho ho babany noho ny hafa kanefa ny tokonana aza tsy afaka. Asehoy ho tsapan’ny Malagasy manontolo tokoa fa nitsinjo ny momba azy ianao, fa tsy ny anao no nitombo ny harena, ka lazaina fa nitombo ny tahan’ny toekarem-pirenena, dia mandroso ny firenena.

Aoka izay ny famitaham-bahoaka, fa ampy izay.