“Tribunal Administratif” – Ho lasan’izay ny ratsy eo amin’ny halabato sy hosoka

Antananarivo - Tribunal administratif (Sary nindramina)

Ny Valosoa Vaovao

Ny taona 2019 dia azo lazaina hoe ratsy fanombohana satria vao niandoha ny taona dia nivoaka ny valim-pifidianana filohampirenena fihodinana faharoa, mazava fa resy ny fahamarinana satria niaraha-naheno ny nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC), nanao hoe “azo raisina fa tsy mitombina” sy ny hoe “azo raisina fa tsy ampy ny porofo”, kanefa dia hitampoko hitampirenena ny tsy fahalavorariana tamin’ny fifidianana.

Ny volana Mey indray dia raikitra ny fifidianana solombavambahoaka dia nisy toy ny teo aloha ny hosoka, nisy koa ny fitoriana saingy rehefa namoaka vokatra ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana dia tsy nisy ny fanazavana momba ny fitoriana, fa tonga dia ny famakiana ny anaran’ireo solombavambahoka voafidy no natao kanefa dia nisy dia nisy tokoa ny tsy ara-dalàna teo amin’ny fanatontosana ny latsa-bato.

Ary farany teo dia iny niaraha-naheno iny ny vokatra navoakan’ny Ceni teto Antananarivo Renivohitra, kanefa dia mbola nisy hatrany ny hosoka, ary hosoka tsy takona afenina, satria ilay lisi-pifidianana voalaza fa tsy azo ovaina, fa ilay nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka ihany no tsy maintsy ampiasaina, kinanjo dia nisy ny fiovana.

Tratran’ny tsy nampoizina anefa ireo zatra nandresy tamin’ny fiangarana, satria hijoro hitaky ny fampitahana ny firaketana an-tsoratra vita sonia tamin’ny fifidianana 27 Mey 2019 sy 27 Novambra 2019 ireo nangalarana hatramin’izay, ary hitory miaraka amin’ny porofo tsy azo lavina.

Ny taona 2019 dia nanjakan’ny hosoka teo amin’ny fifidianana, ka ho lasan’izay ny ratsy fa amin’ny taona 2020 kosa dia hanjaka ny fahamarinana satria hanao ny asany araka ny tokony ho izy sy hifanaraka amin’ny fianianana nataony ny “tribunal administratif” ary isika vahoaka koa hijoro hiaro hatrany ny fahamarinana.