ONG FANAMBY – Tsy manaiky ny fivarotana ny tany manodidina ny Allée des Baobabs

Aly

Misy mitady hamarotra amin’izao fotoana ireo tany manodidina ny Allée des Baobabs amin’ny faritra Menabe iny, ireo mpanambola, na ireo fikambanana iraisam-pirenena miasa any an-toerana, no mikasa hividy izany faritra manodidina ny Allée des Baobabs izany.

Tsy manaiky izany fikasana izany, ny fikambanana miaro ny tontolo iainana, any amin’iny faritra Menabe iny dia ny fikambanana tsy mainkina amin’ny fanjakana, na ny ONG Fanamby izany. Ankoatra ity ONG ity, tsy manakiky izay fivarotana ny taniny izay koa ireo mponina manodidina iny toerana mahasarika mpizahantany iny, dia ny Allée des Baobas izany.