Hanitra Razafimanantsoa – Depiote Tana-I – “Hiova endrika ny tolona”

2009-2019 : folo taona aty aoriana, miverina eto amin’ny Kianjan’ny Magro indray ny mpandala ny ara-dalàna. Tsy raharahan’antoko intsony nefa fa adidy iaraha-mizaka, ady atao amin’ny tsy fahamarinana.

Takiana ny fahamarinana momba ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina farany teo satria tsy ekena intsony ny fanodikodinana ny safidm-bahoaka ho tombontsoan’olom-bitsy. Efa natolotra ny tomponandraikitra ny vahaolana dia ny fampitahana ny lisitra nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka sy izay nampiasaina tamin’ny 27 novambra lasa teo. Anaovana antso avo amin’izay mikirakira ny vokatra amin’izao fotoana izao izany satria betsaka ny porofo manamarina fa nanokafana tamin’ny fotoana tsy voafaritry ny lalàna ny lisipifidianana.

Misy tsy fahamarinana ihany koa momba ny lalàna 2019-008 satria toa niniana natao manjavozavo ny ao anatiny. Manahy arak’izany ny mpandala ny ara-dalàna fa manokatra lalàna ho an’ny amin’ny fanambadian’ny mitovy fananahana na nanova fananahana izany. Efa namoaka fanambarana nitsipaka izany ny governemanta saingy mbola takiana ny handikana ny lalàna amin’ny fiteny Malagasy mba ho azon’ny mpiray tanindrazana izay voarakitra ao. Takiana ihany koa ny hanitsiana ireo voambolana miteraka ahiahy tsy ihavanana ao anatiny. Mitohy ny antso avo amin’ireo filoham-piangonana mba hanaraka ny lalan’ny FJKM. Ity farany izay nanao fanambarana mitsipaka izany fitondran-tena sodomita izany tamin’ny alalan’ny filohany ny Pastera Irako Andriamahazosoa Ammi. Ny fiangonana ihany mantsy no afaka miantso ny zanany hiverina amin’ny fahamarinana.

Noho izany rehetra izany dia hiova endrika ny tolona manomboka amin’ny herinandro mba ho henon’ny rehetra ny antso avo ataon’ny mpiray tanindrazana mitaky ny hampanjakana ny fahamarinana sy ny ara-dalàna eto Madagasikara. Entanina ny rehetra mba hiandry ny fandaminana sy ny toro-marika mahakasika izany.