Arlette Ramaroson – Voararan’ny lalàna velona ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy

Profesora Arlette Ramaroson (Mpahay lalàna sady mpitarika politika)

Isambilo

Mitondra ny fahitany ilay voalaza fa volavolan-dalàna momba ny fisian’ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy, ny mpahay lalàna iraisam-pirenena, Ramatoa Arlette Ramaroson. Mazava ny lalàna malagasy 2007-022 tamin’ny 20 aogositra 2007, hoy izy, fa ny fanambadiana dia natao ho an’ny lahy sy ny vavy ihany ary voarara ny fanambadiana samy lahy na samy vavy, ka izay lalàna manohintohina an’izany dia foana avokoa. Kanefa aoka ho mailo ihany isika malagasy sao sanatria ovàna izany principe na foto-kevitra izany.

Ny article 331 code pénal dia toy izao koa momban’ny sôdômita : « sera puni d’un emprisonnement de 2 à 5 ans et d’une amende de 2.000.000 de ariary à 20.000.000 de ariary quiconque aura commis un acte impudique ou contre nature avec un individu de son sexe mineur de moins de 21 ans ». Izany hoe na misy consentement na fifanarahana aza avy amin’ilay tsy ampy taona dia voasazin’ny lalàna ilay nanao heloka, fa ankoatra izay raha misy consentement dia tsy voasazin’ny lalàna…

Koa raha misy finiavana hanangana ny mariazin’ny samy lahy sy samy vavy dia tsy maintsy misy refonte na fanorenana ifotony goavana, izay tsy maintsy ierana amin’ny vahoaka… Ny tokony hangatahina dia izay hevitry ny vahoaka izay dia ny hevitrin’ny vahoaka no ampiharina, hoy ny fanazavan-dRamatoa Arlette Ramaroson.