Filohan’ny Fjkm – Lavina marindrano ny sôdômita

Pasitera Irako Andriamahazosoa Ammi Filohan'ny FJKM, FFKM sy FFPM 2019

Radafy

Mazava sy hentitra ny fanambarana sy ny hafatra avy amin’ny Filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi omaly teny amin’ny Fjkm Andrainarivo Fahasoavana. Nosoritany fa tsy azo ekena ary toherina hatramin’ny farany ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy na ny antsoina hoe : sôdômita. Izany koa dia efa nanaovan’ny FFKM, fiombanan’ny fiangonana kristiana eto Madagasikara izay ahitana ireo fiangonan-dehibe 4, fanambarana iombonana tany aloha tamin’ity taona ity. Voizina eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny resaka zon’olombelona, fa azo ekena ny sôdômita, izay baiko avy amin’ny framasao (franc maçon) izany. Antsoina araka izany ireo Mpitsara mba tsy hanaiky mihitsy ny fampiharana, fa hanafoana avy hatrany izay rehetra endrika mitarika any amin’ny fanomezana vahana ny fanambadiana sôdômita.

Mazava ny foto-dalàna sy fitsipiky ny FJKM ny amin’ny filazana ny fanoherana ny fanambadian’ny mitovy fananahana ary fandikana ny Soratra Masina voarakitra ao amin’ny Baiboly ihany koa izany.

Notsiahivin’ny Filohan’ny FJKM anefa, fa ny FJKM dia tsy manilika mihitsy ireo olona manana toetra ho sôdômita, fa mitarika azy ireo kosa ary manoro ny sitrapon’Andriamanitra, fa lalan-diso tsy hahazoana ny Fanjakan’ny lanitra ny fanaovana sôdômita, fitoriana azy ny filazantsara famonjena no atao, mba tsy ho tafiditra amin’izany sôdmita izany.
Miantso ny kristiana ihany koa ny tenany hijoro hatramin’ny farany hanohitra ny lalàna fanomezana vahana ny sôdômita ary hivavaka mandrakariva mba tsy hitsahatra.

Tsiahivina, fa ny filohan’ny FJKM, dia filohan’ny FFKM sy ny FFPM tamin’ity taona ity.