Ady amin’ny hosoka sy hala-bato tamin’ny fifidianana – Bel’Air, Magro Behoririka, miandry toromarika ny manaraka

Ny hetsika tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 14 desambra 2019

Helisoa

Ady amin’ny hosoka sy ny hala-bato tamin’ny fifidianana, nanomboka teny Bel’Air Ampandrana izany ny sabotsy 7 desambra, nitohy tetsy amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 14 desambra teo.

Araka ny lahateny nataon’ireo mpitarika tetsy amin’ny Magro ny sabotsy teo io, miandry ny toro-marika indray ny rehetra hoe: aiza indray no hatao ny hetsika manaraka. Izany no midika hoy izy ireo, fa miha-mahazo hery sy mahazo vahana hatrany hetsika amin’ny ady amin’ny tsy fahamarinana sy ny tsy rariny ity, na ny ady amin’ny hosoka sy ny hala-bato tamin’ny fifidianana nisy teto amintsika, indrindra momba ny fifidianana kaominaly sy monisipaly farany teo.

Momba izao hetsika atao izao, nanambara ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) fa “tolona Iombonana ho an’ny Marina”, no iarahan’ny rehetra amin’izao fotoana. Tsy hilefitra ny mpandala ny fahamarinana raha tsy misy vokany ny fitakiany. Miara-dia amin’ny vahoaka hatrany ireo olomboafidy sy kandida TIM rehetra manerana ny nosy.

Antso avo atao amin’ny tomponandraikitra no asandratra eto ho an’ny fampanjakana ny fahamarinana. Takian’ny ankamaroan’ny vahoaka ny fampitahana ny lisi-pifidianana nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka, sy izay nampiasaina tamin’ny Ben’ny tanàna, sy ny mpanolotsaina farany teo.

Mitohy ny tolona ary manaraka ny fandaminana ny rehetra mba hahitana fahombiazana hampanjakana ny ara-dalàna. “Ento amin’ny fahamarinana ny Firenena”.

Ankoatr’izay dia nanao antso avo ho an’ireo filoham-piangonana rehetra ireo mpitarika, fa mitady hitondra mankany amin’ny fahaverezana ny mpitondra amin’izao fotoana, mikasa hampandany lalàna mampifototra ny mpiara-belona, hoy ny depiote Me Hanitra sy ny depiote Fidèle.

Niatrika izao hetsika tetsy Behoririka izao ihany koa ny avy amin’ny RMDM Tabera Randriamanantsoa, ny avy amin’ny hetsiky ny olom-pirenena manohitra ny hosoka sy ny hala-bato Edouard Tsarahame sy Riri-be. Ny kandidà depiote TIM tany Nosy-Be Nini Donia,…