EDITO 19 Desambra – Volon’andro fety : fanomezana mangidy no atolotry ny fitondrana ny vahoaka

Sôh’son

Misarika ny sain’ny maro ny zava-mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Ary ilay izy tsy misy zavatra tsara hahabe fanantenana ny vahoaka, miseho amin’ny endrika tsy mitondra soa ho an’ny firenena amin’ny ankapobeny. Raha miditra amin’izao volon’andro fety izao isika, sy hankalaza izany amin’ny andro higadonany, tokony ho zavatra tsara sy mahasoa no hatolotry ny fitondrana Rajoelina ny vahoaka Malagasy. Toa mifanohitra amin’izany anefa no atrehina ankehitriny. Ohatra amin’izany, ny zava-nitranga teny Ankatso sy Ambohipo ireny, izay nisiana fampiasana fitaovam-piadiana nanamontsanana ny mpiray tanindrazana; eo koa ny fanamparam-pahefana ataon’ny maro an’isa eny amin’ny lapan’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza amin’ny fifidianana lalàna, izay tsy hakan-kevitra amin’ny vahoaka nifidy azy ireo akory, fa hevitra avy amin’ny fitondrana; ny fikasana hitondra ny firenena hatrany amin’ny tsy fahamarinana amin’ny fifidianana sy voka-pifidianana tsy mifanaraka amin’ny safidim-bahoaka; ny fitarihana ny mpianatra amin’ny làlana tsy hanome antoka tsara amin’ny fiainan-koaviny, toy ny niainana sy nandalovan’ireo mpianatra nanàla fanadinana ara-panjakan bakalorea farany teo. Natao izay nanilihana ny olana fa ny fanjohiana amin’ny fanaraha-maso ny tohiny tsy misy. Ny fidangan’ny vidim-piainana mampiteny ny moana ary mampifararemotra sy mampiferin’aina ny sarambabem-bahoaka. Ny raharaha Ambohitrimanjaka mbola atao izay hampandry andriran’antsy ny mponina voakasika akaiky, fa tsy mihevitra ny hihemotra amin’izany. Ny vahaolana amin’ny rano fisotro madio tsy misy fivoarany mazava, ary ny fahatapahan-jiro tsy afaka herintaona nitondrana Rajoelina izao. Izany anefa no nanakianana mafy an-dRajaonarimampianina ny amin’ny tsy nahavaha ny delestazy tao anaty telovolana izay nanomezany toky.

Raha izany no fanomezana atolotry ny fitondrana Rajoelina ny vahoaka amin’izao vaninandro fety izao, dia tena fanomezana mangidy izany. Mangidy satria tsy misy maminy amin’ny vahoaka ireo toe-javatra rehetra ampiainana azy ireo izany. Hanakona mihitsy ny anjara masoandrom-bahoaka ny zava-misy, ka tsy ho hampahazava sy tsy hafana aminy ny fandalovana ny fety samihafa. Tsy hisy fiantraikany sy tsy hampamiratra ny fiainany velively ny fampihaingoana amin’ny jiro maroloko ny eny amoron’Anosy sy eny Ambohitsorohitra sy ny manodidina. Miendrika fandrebirebena sy famitahana ny vahoaka tsy hijery ny olam-piainany sy manjo azy, ireny rentirentin-javatra samihafa ireny.

Tsotra ny hafatra, hoy ny mpanara-baovao, aoka hanjaka ny fahamarinana fa tsy amin’ny fomba ratsy no kasaina hakana toerana sy fahefana, vahao malaky ny sosialim-bahoaka, ary aoka hiaina am-pilaminana araka izay mety aminy ny vahoaka, fa tsy anaovana amboletra sy fampiasan-kery.