Ratsiraka sy Rajoelina – Nanao sorona sy fairano an’Antananarivo

Ny Valosoa

Novoizina fatratra tamin’ny fampahalalambaovao tamin’ny herinandro lasa teo ny fiarahan’ny Amiraly Didier Ratsiraka sy ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, izay tsy atao mahagaga fa tena fiarahana voajanahary tokoa, satria ny zava-nitranga teto amin’ny firenena indrindra fa ny teto Antananarivo dia mampibaribary fa izy mianaka ireo no mendrika hiaraka.

Teny Ivato nandritran’ny fihaonana fitakiana ireo Nosy Malagasy no nifandokandoka ry zareo dia samy niarotena. Aleo tsiahivina f’ efa tamin’ny 12 Desambra 1979 mbola fitondran-dRatsiraka no efa nivoaka ny fehinkevitra navoakan’ny Firenena Mikambana, fa antsika Malagasy ireo nosy dimy ary teo amin’ny fitondrana ny filoha Ratsiraka tamin’izany hatramin’ny 1991, mbola niverina teo amin’ny fitondrana izy ny taona 1997 ka hatramin’ny 2001, fa tsy hita izay nataony, ny fiarovantenany dia manao hoe tsy nisy hono ny firaisankina teo amin’ny Malagasy; rariny tokoa raha tsy niray hina ny Malagasy tamin’ireny, satria voageja ny fisian’ny Mandatehezampirenena Miaro ny Tolompiavotana ny fanaovana politika teto amintsika ary ny gazety koa voatampimbava noho ny sivana izay nanjaka tanteraka, fa ny tena tsy namparisika ny vahoaka ihany koa dia tamin’ny fitondran-dRatsiraka anie no nisy famonoan’olona goavana toy ny teny Ambatomainty namelezana ny Kung Fu tamin’ny 1985, sy ny 10 Aogositra1991 teny Mavoloha Atsimondrano , dia izay fomba ratsy misetrasetra amin’Antananarivo izay no notahafin-dRajoelina ,ka tsy nahagaga raha doro-trano sy fandrobana teto Antananarivo no nataony ny 26 Janoary 2009 sy ny vono olona ny 07 Febroary 2009 ary fampiasana miaramila no nampiasain-dRajoelina nakana ny fahefana. Ny farany teo dia ny fanaovana hosoka tamin’ny fifidianana no niakarana indray teo amin’ny fitondrana.

Fa na efa mpitondra ara-dalàna aza Ingahy Rajoelina dia mbola nitohy ny antsojainy amin’ny vahoakan’Antananarivo, porofon’izany ny momba ireo fiarabe fitaterana fako, izay efa tonga tao Toamasina ny faran’ny volana Aogositra, kanefa tsy natolotra ho an’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra raha tsy tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo, tsy misy mihitsy izay mba fitiavana ny vahoakan’Iarivo, fa dia natao fairano amin’ny kajy politika, satria ny tsy fahadiovan’ny Tanàna dia nailika tamin’ny mpitondra ny kaominina, izay mahaloa ara-dalàna ny vola fandoa any amin’ny Samva, sady mahatonga ny fako hatreo amin’ny dabampako, ary tamin’ny25 Novambra 2019, roa andro mialoha ny fifidianana ben’ny Tanàna indray dia niaraha-naheno ny fanambarana nataon’Ingahy filoha izay tsy tahotra tsy henatra. Sahy nilaza hoe tokony ho ben’ny tanàna mitovy firehana amin’ny fitondrana hono no tokony ho fidiana eto Antananarivo Renivohitra fa raha tsy izany dia tsy hanampy ny fitondrana foibe .

Noho izay fampitambazana vokatry ny tsy fitiavan-tanindrazana izay dia aleo dradradradraina mafy fa tsy volan-dRajoelina na volan’ny Mapar, na vola azon’Ingahy filoha noho izy vadin’i Mialy no nividianana ireny fiarabe ireny, na ny vola fanampiana ny Kaomina Antananarivo Renivohitra, fa volan’ ny olompirenena mpandoa hetra ary aleo hitrikitrihana fa ny vahoakan’Antananarivo no mandrotsaka be indrindra ao amin’ny kitapombolampanjakana koa tsy rariny raha ny mandoa be indray no saziana.

Tamin’ny faran’ny herinandro teo, nandritra ny fanolorana ireo fiarabe ireo dia nambara fa haverina amin’ny Kaomina Antananarivo Renivohitra ny fitantanana ny Samva,vaovao tsara sady mahafaly izany satria nifanojo rahateo tamin’ny andro nanombohan’ny hetsika teny amin’ny Kianjan’i Magro Behoririka, izany dia ny fitakiana ny marina momba ny fifidianana, koa andrasana ny fandinihana amim-pahamarinana izay ataon’ny “ tribunal administratif ”, miandrandra ny fandresen’ny fahamarinana ny vahoakan’Iarivo, ka ho afaka hiasa amim-pilaminana amin’izay ny ben’ny Tanàna vaovao Rina Randriamasinoro, fa tsy toy ny nanjo an’i Neny Lalao Ravalomanana tratra ny fingampigana samihafa na tamin’ny fitondran-dRajaonarimampianina teo aloha, na amin’izao fitondran-dRajoelina izao.