Depiote Masy Goulamaly – Zaza nifidy tany Tsihombe, maro ireo porofo

(update 18/12/2019 – miampy ihany ny porofo fa zaza mbola mianatra ireo zaza nasaina nifidy – sary fanampiny etsy ambany)

Isambilo

Ny depioten’i Tsihombe, Masy Goulamaly

Nanamafy ny depiote voafidy tany amin’ny distrikan’i Tsihombe faritra Androy, Ramatoa Masy Goulamaly, fa nisy tokoa ireo zaza nasaina nifidy tamin’ny fifidianana ny 27 novambra lasa teo tany amin’ity distrika ity. Maro ireo porofo hita momba izany hoy izy. “Mba ho fanamafisana ny efa voalazanay teto, dia ireto misy porofo aseho antsika vahoaka Malagasy, amin’ny mahakasika ireo ankizy tsy ampy taona nasaina nifidy, ary voasoratra ao anaty lisi-pifidianana. Efa any amin’ny fitsarana misahana ny fifidianana ny fitoriana, sy ireo izay tokony handehanan’izany.

Koa noho izany dia, aza jerena hoe raharahan’ny Distrikan’i Tsihombe irery izao zavatra mitranga izao, fa tokony ho raharahampirenena manontolo. Mametraka ny fitokisana sy ny fahendren’ireo mpitsara koa izahay, mba tena hihàtra ny sazy ho an’izay rehetra voakasika amin’izao raharaha mamoafady izao.

Mbola averiko etoana indray, fa tany tan-dalàna i Madagasikara, ka tokony ho fongorina ny kolikoly sy ny tsy rariny rehetra. Ny tenako MASY GOULAMALY, Solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy eto amin’ny Distrikan’i Tsihombe, Androy, dia mijoro amin’ny fahamarinana hatrany ho an’ny Tanindrazana. Ny adidy tsy an’Olondratsy. Tsy rariny mihitsy kosa izao. Efa tena lasa lavitra ilay hosoka atao sy natao. Zaza tsy ampy taona anaovana karapanondro asaina mifidy”, hoy izy.