EDITO 14 Desambra – Sosialim-bahoaka ao anaty fety – Tsy misy antenaina avy amin’ny fitondrana

Radafy

“Ny manantena no sarotra fa ny mamoy mora foana”, hoy ny fiteny teo alohaloha izay.

Hanantena inona amin’ny fitondrana Rajoelina miditra amin’izao volon’andro fetin’ny krismasy sy faran’ny taona ary taom-baovao izao? Tsy misy. Ny fankalazana ny andro fety iarahan’ny ankohonana mifaly tsy vitan’ny tolotolotra kely etsy sy eroa hanampena-maso. Ireny indrindra no tonga amin’ny fitenenana hoe: “anio afa-drofy fa rahampitso mivindina, toy ilay boka mievina”. Ny olana ara-tsosialy fototra tandra vadin-koditra tanteraka amin’ny fiainan’ny vahoaka Malagasy, ka sanatria afak’olana raha voafitak’ireny fanampena-maso sy fanarian-dia ireny.

Miditra amin’izao faran’ny taona izao vao tena tsy laitra ny fiakaran’ny vidin’entana fanjifan’ny vahoaka andavanandro. Ao anatin’izany ireo filana fototra amin’ny sakafo toy ny vary, hena, menaka sy ny maro hafa; ny saribao tsy lazaina intsony ny halafony. Maro no hitanatana vava sy hanan-janaka hitsiriritra ny kilalaon’ny zanaky ny mpanefoefo vitsy an’isa eto amin’ny firenena. Misy ny mbola ho mafy ady tanteraka hikaroka vola kely etsy sy eroa izay mba hany tratry ny hery, mba hahafahana mahazo rirany kely amin’ny hankalazana ny andro fety. Maro an’isa ny Malagasy no hiharitra fahoriana ao anaty fahasahiranam-piainana ao anatin’izao volana desambra sy fiandohan’ny taona vaovao izao. Tsy nisy fihenany ny 90% ny vahoaka mahantra herintaona nitondran-dRajoelina sy ny antokony.

Inona no vahaolana entin’ny fitondrana hanalefahana ny fahoriana ara-tsosialim-bahoaka?

Mazava loatra fa tsy hisy valiny mazava sy tsotra izany satria zavatra hafa tsy laharam-pahamehana amin’ny vahoaka Malagasy no nahamaika tao anatin’izay 12 volana izay. Tsy inona izany fa ny resaka politika sy ny paipaika politika politisianina entina hanamafisan-toerana sy fiarovana tombontsoa manokana fotsiny ihany. Niharo poltika avokoa ho fanindrahindrana tena hisehoana ho miasa sy mahavita no natao nibahana amin’izay natao rehetra. Ny tena fototry ny fampandrosoana an’ity firenena Malagasy ity aza tsy nasian’ny fitondrana teny kely akory, dia ny amin’ny fihavanana sy ny fampihavanana izany. Tsy maintsy hihodinkodina fotsiny eto ny firenena tsy hahita lalan-kombana mazava fa tsy vitan’ny atao letrezana sy amboletra tahaka izao io. Manampy trotraka izany ny tsy fakana lesona mihitsy fa miseho ho mahay noho ny rehetra teo aloha amin’ny fitantanam-pirenena.

Dia izao iaraha-mahita izao ny vokany herintaona izao. Mbola mifafa ny kihony ny vahoaka miharitra ny mafy amin’ny lafiny fahantrana lalina. Raha ny fahitana ny fidangan’ny vidim-piainana andavanandro amin’izao fotoana, dia tsy misy antenaina amin’ny fitondrana ho amin’ny fiatrehana ny fety samihafa ho avy izao.