NY FIFIDIANANA NISESY TETO MADAGASIKARA

CENI - Hery Rakotomanana, Thierry Rakotonarivo, Fano Rakotondrazaka

Efa masaka ny tetika fony tany am-panomanana,
Fa kendrena ny hampandresy ny maloto sy tsy marina.
‘Ndreo nampiasa ny talentany ny komitim-pifidianana,
Efa fantatra mialoha hoe iza moa ireo tiany hakarina.

Lisitra efa nofaranana, tsy azo ampiana sy analàna,
Dia nanaovany hevi-petsy , mbola sahiny namboarina.
Asa loatra na dia jamba ireo ilay hoe “mpahay lalàna”,
Na voatamby volabe ka notakonany ny marina!

Ireo nikasa ny hampitaha dia namoronany paikady
Fa hoe tsy azo tanterahina izany fikasana izany.
Manahirana ,hono, mantsy sady tena “saro-pady”.
(Toy ny te hiteny hoe: ”mangina fa ‘zay tianay ihany”!)

Izany raha vao fifidianana eto Madagasikara.
(Vola hatrany no manjaka, koa ataovy ny ampamoaka.)
‘Ndeha ravao ilay komity izay natao hikarakara,
Fa mamily sy manova ny safidinay vahoaka!

DADAN’i ZINA (08-12-19)