RMDM – Miverimberina ny fanitsahana lalam-panorenana ataon’ny fitondrana Rajoelina

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana, indrindra tao aorian’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina lasa teo, ka maha be resaka ny rehetra hatramin’izao, misy ny fanambarana avy amin’ny RMDM, na ny Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara: ny RMDM dia,

Mampahatsiahy ny fehin-kevitra fototra momba ny demokrasia, izay hita ihany koa ao amin’ny Lalampanorenana ao amin’ny Andininy Faha 5 : « Ny vahoaka izay ipoiran’ny fahefàna rehetra no masi-mandidy, ka mampiasa izany amin’ny alàlan’ny solontenany lany amin’ny alàlan’ny fifidianana andraisan’ny rehetra anjara mivantana na tsy mivantana, na koa amin’ny alàlan’ny fitsapan-kevi-bahoaka ».

Manamafy ny fankatoavany ny demokrasia, ny fahaiza-mitantana, ary ny fanajana ny tany tan-dalàna izay antoky ny maha marin-toerana ny fitondrana sy ny fampandrosoana amin’ny lafiny sosialy sy toekarena eto Madagasikara.

Maneho ny ahiahiny manoloana ny fitontongan’ny toe-draharaha amin’ny lafiny sosialy sy ekonomika, singanina manokana amin’izany ny fitombon’ny fahantran’ny Vahoaka Malagasy, sy ny tsy fahafahan’ny fanjakana manatanteraka ny zavatra tena ilain’ny mponina amin’ny famatsiana rano fisotro madio, herinaratra, ary amin’ny fiantohana ny fandriampahalemana.

Velona ahiahy mafy manoloana ny fanitsakitsahana miverimberina ny lalàna fototra velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra isan’ambaratonga nandritr’ireo fifidiana nifanesy, an’isan’izany ny fifidianana monisipaly natao tamin’ny 27 novambra 2019, mahatsapa ary velona ahiahy nohon’ny tsy fisian’ny fanjakana tan-dalàna eto
Madagasikara, satria na dia ny Filohan’ny Repoblika aza dia nitokana ny Kianjan’i Barikadimy tao Toamasina tamin’ny 24 novambra 2019, tena mbola tao anatin’ny fotoana fampielezan-kevitra mihintsy. Ampahatsiahivina eto fa ny Andininy Faha 61 ao amin’ny Lalàna 2018-008 dia milaza fa « toute inauguration officielle est interdite pendant la durée de la campagne électorale».

Mampahatsiahy ny andininy faha 42 ao amin’ny Lalàna Fehizoro 2018 – 008 mikasika ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka : « Raha tsy misy fanovàna avy amin’ny Président du Tribunal de première instance, dia ny lisitry ny mpifidy nofaranana tamin’ny faha 15 ny volana may amin’ny taona resahina ihany no manankery amin’ny fifidianana rehetra mandritry ny taona itsahina ary manankery hatramin’ny faha 15 may amin’ny taona manaraka ». Tamin’ny fifidianana monisipaly tamin’ny 27 novambra teo anefa dia tsy voahaja izany lalàna izany, satria ny lisitry ny mpifidy nampiasaina dia hafa, fa tsy ny lisitra nampiasaina tamin’ny fifidianana Solombavambahoaka tamin’ny 27 may 2019.

Velona ahiahy mafy ny RMDM, satria niaiky am-pahibemaso ny CENI nandritry ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ny filoha lefitra Thierry Rakotonarivo tamin’ny 29 novambra 2019 tamin’ny fanazavany ny momba ny tranga mikasika an’i Pasitera Lala Rasendrahasina. Voalazany tamin’izany fa « Efa nifindra trano i Pasitera, ny sefo Fokontany no nilaza taminay ary izahay (ao amin’ny service informatique) no nandray ny fepetra». Izay fanekena ampahibemaso ny fanovana ny lisitry ny mpifidy, izay no porofo tsy azo lavina mikasika ny fandikana ny Andininy Faha 42 ao amin’ny Lalàna 2018-008 voalaza etsy ambony ankoatry ny porofo hafa eo am-pelatananay.

Mampatsiahy ny Andininy Faha 10 ao amin’ny Lalàna 2018-008, fa « le Registre électoral
national est permanent et public. Le Registre électoral national est accessible à tous et à tout moment ». Mahatsapa fa leo ny mpifidy nanoloana ny tsy fanarahan-dalàna marobe, ka mahatonga azy ireo tsy hiraika amin’ny fifidianana (tahan’ny fandraisan’anjara mihena foana) ary mahatsapa fa maro ny olona tsy afaka nifidy satria nisy fanovana ny lisitry ny mpifidy, nefa nisy mpifidy hafa nampidirina tsy ara-dalàna ao anaty lisitra.

Noho izany ny RMDM dia

1. Manameloka an-kitsirano ny fanitsakitsahana miverimberina ny Lalampanorenana sy ny lalàna velona eto amin’ny tany sy ny firenena ataon’ny mpitondra ;

2. Manamafy ny finiavany hiady amin’ny hosoka mikasika ny fifidianana ary tsy hangina intsony manoloana ny fanodinkodinana ny fikarakarana ny fifidianana eto Madagasikara ;

3. Mamaky bantsilana ny fanovana ny lisitry ny mpifidy nataon’ny CENI, ahafahana manao hosoka amin’ny fifidianana ary hampandaniana kandidam-panjakana.
Manamafy ihany koa fa ny CENI dia tsy nahaleo tena mihintsy hatramin’izay tamin’ny fanapahan-keviny sy ny asa nataony ;

4. Manentana ny olom-pirenenan hitaky ny zony (izay voafaritra ao amin’ny Lalampanorenana nefa voahitsakitsaky ny mpitondra) ary mbola hanome anay hatrany ireo porofo voahangony mikasika ny hosoka tamin’ny fifidianana ;

5. Mangataka ny fanafoanana ny fifidianana monisipaly tamin’ny 27 novambra 2019, izay feno hosoka ary handray andraikitra hanao izay tokony ho atao amin’izany amin’ny fitondrana ny raharaha eo amin’ny tomponandraikitra mahefa ara-pitsarana.