Mponina sahirana amin’ny rano – Hanao “sitting” eny amin’ny ministeran’ny rano ny sabotsy izao

Isambilo

Araka ny tapaka tamin’ny fivoriana izay nataon’ny solontenan’ny mponina eny amin’ny fokontany Faravohitra, Mandrosoa sy ny manodidina, izay fokontany anisan’ny manana olana amin’ny resaka rano eto an-drenivohitra, dia nanapa-kevitra izy ireo fa hanao “sitting”, na fitokonana manoloana ny ministeran’ny rano any Ambohijatovo Ambony ny sabotsy izao hanomboka amin’ny 10 ora maraina.

Ankehitriny tokoa dia misedra olana ny mponina eto an-dRenivohitra eo amin’ny lafiny ny rano, izay tsapa fa mampikaikaika ny maro, tsy eny amin’ny tanàna ambony eto Antananarivo ihany no misy olana, fa amin’ny faritra iva toerana koa. Noho izany no nahatonga azy ireo hanao “Sitting”, na fitokonana manoloana ny Ministeran’ny Rano ny sabotsy 07 desambra 2019 ho avy izao hanomboka amin’ny folo ora maraina io, araka ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny mponina amin’ny fokontany Faravohitra, Mandrosoa, sy ny manodidina, Andriamatoa Alex Rafidiarison.

Izay rehetra manana olana amin’ny resaka rano eto Antananarivo no handray anjara amin’izany “sitting” izany. Namafisiny fa tsy hoentina hanakorontanana akory izao hetsika izao, fa hetsika fanairana ho an‘ireo tomponandraikitra ihany, ary tsy misy idiran’ny resaka politika.
Sary RANO: Alex Rafidiarison, solontenan’ny mponina eny faravohitra, Mandrosoa, sy ny manodidina.