EDITO 5 Desambra – Tsy mahaleotena ny CENI

Rajaonarimpanontsana

Mahavariana sady nahavalalanina ny mpifidy ny fanambaran’ny CENI, vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana, fa tsy tokony hisy lisitry ny mpifidy voasoratra anarana hafa kanefa dia any anaty tambazotra no mivoaka ny anaran’ireo olona mpifidy sy ny isany.

Mipetraka ny fanontaniana, fa iza ihany moa no mamoaka azy ireny? Tsy ny avy ao anivon’ny CENI ihany ve? Koa nahoana no mbola lazaina fa misy olona hafa mamoaka izany lisitry ny mpifidy izany. Ny lisitry ny mpifidy izany dia natao ho hitan’ny be sy ny maro amin’ny tambazotran-tserasera na site web. Raha jerena amin’ny saina tsy miangatra dia toa ity rafitra mahaleotena misahana ny fifidianana ity ihany no mampiteraka savorovorontsaina, ka manilika ny andraikiny any amin’ny hafa. Voalaza fa mahaleotena izy ireo, nefa raha jerena ny zavatra ataony dia tena tsy mahaleotena fa miankin-doha amin’ny fitondram-panjakana, mba tsy ilazana fa voavidin’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-dia aminy. Ao ny anaran’ny mpifidy miverina indroa na intelo, ao koa ireo Doublons maro, tsy lazaina intsony ireo hosoka isan-karazany.

Efa hatrany amin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka no nahitana lesoka ny CENI dia izao mitohy aty amin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina izao indray. Ny teto an-drenivohitra aza nahitana izany, ka vao mainka fa ny any amin’ny faritra sasany any? Nanao izay danin’ny kibony ny tompon’andraikitra tany amin’ny faritra hampandaniana ireo kandida miaraka amin’ny fitondrana. Tsy mahagaga raha tsy atokisan’ny vahoaka intsony izay vokatra tsy ofisialy hivoaka eo satria efa tsy mahaleotena intsony ity CENI ity raha ny fizotran’ny fifidianana no asian-teny.

Raha tiana hiverina ny fitokisana eo amin’ny vahoaka nifidy dia aleo hivoaka ny mangarahara. Ataovy mazava sy madio ny voka-pifidianana, ka izay tena safidin’ny Malagasy nandatsa-bato marina no tokony hivoaka.