MANDRY VE NY SAINAREO ?

Inona no holazainareo komitim-pifidianana?
Mbola hirehaka fa hoe tomombana ny fanomanana?
Sa dia mbola hiala bala toy ny mahazatra indray?
Tsy tokony efa niala ela rehefa hita fa tsy hay?

Intelo no nikarakara nefa tsisy zava-banona.
“Manao zavatra tsy mora” hoy ry ranona sy ranona.
Teny tena tsy mitombina ary tena tsy azo ekena,
Sady tena tsy azo raisina mba ho fanadiovan-tena!

Ianareo matoa nijoro, tao dia tao ny fanekena.
(Inoana fa tsy novozonana ary koa tsy noterena!)
Noho izany dia ambara ho tompon’antoka tanteraka,
Na dia misy aminareo milaza ho “fanina sy reraka”!

… Sao dia nisy tany ho any “tsindry” tena nafampàna
Ka natao izay handresen’ny kandidan-drafanjakana?
Vita izany saingy indrisy, miakatrakatra ny feo,
Ka hoy ‘zahay mba manontany: mandry ve ny sainareo?

Ny tantara dia hitohy fa tsy anareo ny teny farany.
Ireo mpitsara avo koa, toa efa tsinjo izay hambarany.
Tsisy zava-marina eto, ny vahoaka dia efa leo
Ka hoy izahay te hanontany: mandry ve ny sainareo?

DADAN’i ZINA (02-12-19)