Fitondrana Rajoelina – Zariny sy tezainy hiaina tsy fahamarinana ny vahoaka

Sôh’son

”Sao hangoronan’ny olona lamba amin’ny atao”. Fitenin’ny olon-kendry raiamandreny teo aloha, enti-mananatra izay heveriny ho azo anarina ihany io teo anivon’ny fiarahamonina, fa rehefa adala, tsy misy azo atao aminy intsony. Fepetra hafa indray no raisiny amin’izay fotoana izay.

Tonga ao an-tsaina izany manoloana ny zava-misy ankehitriny momba ny fifidianana ity. Tato anatin’ny herintaona monja dia nampiteny ny moana ny fitontonganan’ny taha-pahavitrihan’ny mpifidy eto amin’ny firenena noho ny fahitany fa tsy araka ny safidiny no mipoitra amin’ny voka-pifidianana. Atao, tian- kano tsy tian-kano ny voka-pifidianana ary miala maina izay olom-pirenena vanona mba miezaka manitsy ny lalan’ny firenena ho amin’ny tokony ho izy mifanaraka amin’ny maha izy azy ity firenena ity.

Ambara mandrakariva fa tsy zazabodo na bado intsony ny vahoaka maro an’isa ankehitriny, ka azo anaovana fomba ratsy mamohehitra lava izao. Hitany io fa tsy maneho fihetsika fotsiny izy fa mitoetra sy miraikitra ao an-tsainy ny zava-mitranga rehetra atao aminy eo. Ho diso hevitra izay miseho manasa ati-doha azy eo, ka miana-kendry manazava sy milaza ”hatsanga tsy aman’orana” eo. Mahita sy mihaino ny olona ary ny fanapahan-kevitra raisiny tsy voafehin’ny fitondrana io n’inona n’inona fandresehan-dahatra atao eo. Amin’ny fotoana tsy voafaritra no hipoiran’ireny fihetsika hasehon’ny vahoaka ireny.

Iray izay, fa tsindriana ihany koa ity lalan-kizorana itondrana ny firenena ity. Ratsy fototra ny niangan’izao fitondrana izao, fa niaraha-nahita tsara ny zava-nisy tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vokany, ka nahafahan’ny mpitondra tonga eo amin’izao toerany izao. Nantenaina mba hisy fiovàny sy fihatsaràny izany aty aoriana kanefa iaraha-mahita izao ny zava-misy. Ho an’ny mpandinika dia mamaritra mazava hoe: ho entina amin’ny lalan’ny tsy fahamarinana ve izany ity firenena ity ary tiana ho tezaina amin’izany ny vahoaka Malagasy? Ao anatin’izay tsy fahamarinana izay ny zavatra tsy tomombana sy tsy ara-dalàna rehetra mitranga ao anaty fifidianana hatrany amin’ny voka-pifidianana, na vonjimaika io na tsy azo ivalozana. Dia hanao ahoana no hiafaran’ity firenena ity any aoriana any? Hidiran-doza fa tsy ho lasa lavitra mihitsy ny firenena raha ho toy izany tokoa, ary vao mainka ho fahapotehana no hitranga.

Dia tsy manam-piniavana hitondra ny firenena amin’ny lala-mahitsy sy marina ve ny tomponandraikitra mpitondra manampahefana eto amin’ity firenena ity, ary tsy mandeha amin’ny rariny sy hitsiny hatrany no terena iainana eto? ”Sao hangoronan’ny olona lamba amin’ny atao”, ka rehefa tojo an’izany dia ny hafa indray no anilihana ny rihitra rehetra, toy izay efa fanaony hatrany tato ho ato. Zavatra sy fomba fiasa tsara ao anaty fahamarinana no andrasana sy ilain’ny vahoaka malagasy. Izay ihany no hany afaka hanavotra azy ao anatin’izao fahantrana lalina izao, fa ny volabe tsy fanta-pihaviana zary fandatsana ho azy ireny ary tsy hitera-bokatsoa velively hoan’ny taranaka fara aman-dimby.