Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana – Mandrahona hitokona ireo mpiraki-draharahan’ny Fitsarana

Stefa

Mahatsiaro ho zanak’ikalahafa ireo mpiraki-draharahan’ny Fitsarana miasa eny anivon’ireo Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana, miisa enina eto Madagasikara, amin’ny fisahanana ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna, notontosaina ny alarobia 27 novambra lasa teo nanerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara.

Araka ny fanambarana nataon’izy ireo:« samy miasa mafy, na ny mpitsara, na ny mpiraki-draharaha nefa ampahafolon’ny tambin-karama omena ny mpitsara ny omena ny mpiraki-draharaha amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana kaominaly. Tsy miady hitovy amin’ny mpitsara ny mpiraki-draharaha, fa farafaharatsiny mba antsasany, fa tsy ampahafolony, satria tsy nampandraisina anjara tamin’ny fanapahana ny fitsinjarana ny tambin-karama ny mpiraki-draharaha », hoy ny fanazavana azo.

Mandrahona ny hitokona ireo mpiraki-draharahan’ny Fitsarana amin’ny alakamisy 5 desambra 2019 izao, noho io zava-misy io. Nanao fampahafantarana ny hisian’io fitokonana io izy ireo tamin’ny andron’ny omaly alatsinainy.